« Foire internationale de Madagascar 2025 »: Hisongadina ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana

Laharam-pahamehan’ny Tsenabe iraisam-pirenena (Fim) ny fifanarahan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina enti-mampandroso ny toekarena sy fandraharahana eto amintsika. Hisokatra bebe kokoa amin’ny tsenan’i Afrika ny hetsika amin’ity taona ity.

Mifampiankina ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina amin’ny fampiroboroboana ny toekarena sy ny fandraharahana eto amintsika. Hivoitra ho an’ny hetsika « Foire internationale de Madagascar (Fim) 2025” atao ny 22-25 mey, eny amin’ny CCCI Ivato, ny « Workshop 3P ». Vovonana natokana hanamafisana ny fifaneraseran’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (3P) izy ity. « Tetezana iray fisokafana amin’i Afrika » (Un pont vers l’Afrique), ny lohahevitra amin’ity taona ity. « Fanamby ny hisintomana sy hisian’ny fifanakalozana ara-toekarena ary hanamafisana ny fifandraisantsika eo amin’ny firenena afrikanina », hoy Ranaivo Rajaonarisoa Koloina, tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny Madavision. Hijery ireo harena malagasy eo amin’ny sehatra samihafa sy ny fahaiza-manaontsika ireo firenena afrikanina mandritra ny efatra andro hanaovana ny hetsika.

Zava-baovao

Vaindohan-draharahan’ny Madavision ny fampiroboroboana ny fifaneraseran’ny fanjakana, ireo masoivoho samihafa ary ireo vondrona mpandraraha ho an’ny tsenabe iraisam-pirenena. Tanjona ny hampakarana ny harin-karena faobe sy ny hampandroso ny toekarem-pirenena. Enti-ma­natanteraka izany ny fanamafisna ny fiaraha-miasa amin’ireo sampandraharaham-bola sy fifanakalozana mivantana amin’ireo rafi-panjakana sy mpanapa-kevitra samihafa.
Ankoatra ireo, hisy ny tranokala hatsangana. «Hanam­py amin’ny fifanakalozan’ireo mpisehatra mandritra ny fo­toana maharitra izany sy hanampy amin’ny fanaraha-maso ny tantsoroka omena ireo mpandraharaha », hoy ny mpandrindra ny asa eo ani­von’ny Madavision, Rama­nantsoa Tahiry. Marihina fa mahatratra 22 000m2 ny velarana hisy ireo tranoheva 420 hampiranty sy hampahafantatra ny vokatra malagasy mandritra ny Fim 2025.

Henintsoa Hani

Partager sur: