Mitohy ny fitsidihan’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, ny any Inde. Nanome voninahitra sy nanaja an’i Mahatma Gandhi, Ray ara-panahy tao amin’ny Raj Ghat ny tenany. Teo koa ny fitsidihana ireo mari-pahatsiarovana entin’ny firenena indianina anehoana ny fahendren’i Gandhi. Mandray anjara amin’ny fivoriamben’ny Komity misahana ny anjara toeran’ny vehivavy eo anivon’ny […]
Mois : mars 2025
Fanatsarana fomba fiasa : Homena tolotra tsara ireo ho eny amin’ny fitsarana
Notokanana sy natolotry ny minisitra ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, ny “Guichet Unique de Greffe” ao amin’ny fitsarana Antsirabe, omaly. “Natao hanatsarana ny raharaha ara-pitsarana sy hanomezana tolotra haingana sy mahomby ary tsara ho an’ny vahoaka manan-draharaha izany”, hoy izy. Nanteriny fa afaka manao ny dingana rehetra ilaina amin’ny toerana […]
Tia kely
Nahabe resaka indray, omaly, ny mahakasika ilay resaka fanapoizinana ara-tsakafo tany Mahajanga. Lasibatra tamin’izany ny mpitondra fanjakana ambony, toy ny Filohan’ny Repoblika mivady. Minisitra, loholona, solombavam-bahoaka sy olona manan-kaja maro no narary, raha ny tatitra ofisialy. Nisy ny naiditra hopitaly, nisy ny afaka nanaraka fitsaboana tany an-trano. Manoloana ny […]
Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina : Vonona ny fandraisana ny fihaonana an-tampony eto Antananarivo
Eny amin’ny ny CCI Ivato no handraisana ny fihaonana an-tampon’ny filoham-panjakana eo anivon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) faha-5. Vonona i Madagasikara. Tsy any Nosy Be Hell-Ville indray… Eny amin’ ny ny CCI Ivato no handraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny filoham-panjakana mpikambana eo anivon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) faha-5, amin’ny 24 […]




