Mois : mars 2025

Tsy fanjarian-tsakafo: Nametraka fanamby enina hotanterahina hatramin’ny 2030 i Madagasikara

Isaorana ny fahasahian’ny fitondrana nandray ny fanamby hitondrana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Mada­gasi­kara hatramin’ny taona 2030, hoy ny vovonana Hina. Hanohana amin’ny drafitrasa hanatrarana izany ny fikambanana 600 mandrafitra ny Hina. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia lasa teo, ny andraikitra horaisin’ny fanjakana malagasy ho an’ny fihaonana an-tampon’ny […]

TARATRY ny KANTO

Nizara fisotroan-dronono voalohany ny Omda, omaly. Nisitraka izany ireo mpanakanto mpamorona, mpikambana efa maherin’ny 60 taona. Fotoana nanamafisana hatrany ihany koa ny tokony ho fantatra amin’ny zon’ny mpamorona io. Misy ireo mpikambana vao sambany no nisitraka ny fisotroan-dronono. Anisan’ireo tanàn-dehibe hanana ny fankalazana ny Taom-baovao malagasy makotroka i Antsirabe. Ny […]

Fampivelarana ny saina sy ny kanto : Mila hamaroina ny seho amin’ny andro atoandro

Rehefa atoandro, miato kely ny asa aman-draharaha sy ny fianarana. Amin’ny andro atoandro, matetika tsy latsaka ny orana raha fotoam-pahavaratra. Atoandro ny andro, fanangonan-kery hiatrehina ny tolakandro… Tom­bony omen’ny andro atoandro avokoa ireo. Hatramin’izao, anefa, tsy mbola tafiditra loatra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny Malagasy ny hiatrika na hijery zavakanto na fialamboly […]

« Bapampa Glady Be » : Ho valimbaben’i Rossy amin’ireo mpanakanto zokiny

Rossy, ilay tompon’ny seho miavaka, araka ny nahafantarana azy. Hamerenana indray izany ny « Bapampa Glady Be», sy izay tohiny eo. Efa nampiomana izy tany amin’ny fiandohan’ny taona tany… Taonan’ny fiverenana tanteraka anatin’ny mozika ity 2025 ity ho an’i Rossy, raha ny fandaharam-potoana nalahatra. Hetsika goavambe avy hatrany ny manaraka […]