Mois : mars 2025

“Volana Ramadany”: Fotoana natokana hanampiana ny hafa sy hifadian-kanina

Ao anatin’ny volan’ny Ramadany tanteraka ny mpino silamo amin’ izao fotoana izao. Manan-danja lehibe amin’izy ireo io fo­toana io satria ahafahana mifehy ny va­tana sy hanomezana lanja bebe kokoa ny ara-panahy. Man­dritra izany, maro ny mpino silamo no manao hetsika fa­nampiana ho an’ny mpiara-belona aminy. Indray mandeha isan-taona ny fanaovana […]

Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy : Mavitrika amin’ny fandraisana andraikitra izy ireo

Nifampizara traikefa sy torohevitra tetsy amin’ny An­tenimieran’ny indostria sy ny varotra Antananarivo (CCIA), afakomaly, ireo vehivavy mpitarika eto amin’ny firenena. Hetsika nanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy. Loha­hevitra tamin’ity taona ity ny hoe « vehivavy, reny, mpitarika : mpisehatra ho an’ny fanovana ». « Manan-talenta ma­nokana isika Malagasy amina sehatra maro », hoy […]

VAOVAO TAMBATRA

Tsy azo atao intsony ny fanovanana ny sorabola (avenant) amin’ny tsenambaro-panjakana rehefa vita ny fandraisana tanteraka ny asa. Tsy maintsy atolotra ny filankevitry ny minisitra na ny governemanta ny fanaovana azy raha misy. Tsy azo hahitsy koa ny fifanarahana amin’ny vola aloa mialoha (avance) raha toa ka mihoatra ny 1/3 […]

Fahadiovan’ny rivotra : Harahi-maso ny fiara mamoaka setroka

Midina ifotony ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), nanomboka ny 10 marsa teo. Nobeazina sy nentanina ny mpampiasa fiarakodia sy ny kodiran-droa mahakasika ny voka-dratsy ateraky ny setroka maloto avoakan’ny fitaovam-pitaterana, noho ny fanaovana antsirambina ny fikojakojana azy. Nitarika ny hetsika teny Andranotapahina ny minisitra Max Andonirina […]