Rolf Trio, eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Hanomboka amin’ny 8 ora sy sasany ity seho ity, rehefa elaela tsy tazana an-tsehatra ry Rolf sy ny namany. Ho an’izay tsy afaka anio, mbola hisy fiarahana ihany koa rahampitso eny amin’ny Craam Ankatso, manomboka amin’ny 4 ora. Hialohavan’ny tafatafa ny mozika mandritra […]
Mois : mars 2025
Famakiam-boky: Nanjary kamboty saina ny Malagasy
Tsy ho ela, hanamarika ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny vaky boky sy ny zon’ny mpamorona » ny firenena maro. Talohan’ny taona 1975, nitana ny laharana voalohany tamin’ny famakiam-boky taty Afrika i Madagasikara. Nidina tsikelikely anefa izany noho ny antony maro samihafa. Ny tany an-tsekoly nirona be dia be tamin’ny fampiasana dika […]
« Feo roa tafaray »: Sambany hiaraka an-tsehatra i Salomon sy i Henri R.
Tsy misy fetra ny mozika… Hanaporofo izany indray ny fiarahana an-tsehatr’i Henri Ratsimbazafy sy i Salomon. Manitikitika ny maro ny mety ho endrik’ity seho ity. Tsy mbola nisy mihitsy hatramin’izay. Efa nisy ny hoe samy nanao ny anjarany, niaraka tamin’ny tarika nisy azy avy. Izao kosa vao raikitra ity fiarahanay […]
Malagasy sy ny taranany: Nandray anjara tamin’ny fanabeazana ny hira
Malaza ho tsara taiza ny zaza malagasy. Fahiny, tsy napetraka na nipetraka ho anjaran’ny raiamandreny fotsiny ny fanabeazana fa nandray anjara goavana tamin’izany ny kolontsaina. Singa goavana ao anatiny ny hira. Zary fiainany andavanandro ny mihira… «Mahafinaritra ny maheno anareo miresaka satria toy ny mihira », hoy ny vahiny! Porofo io […]
Andro Afrikanina ho an’ny skoto: Atao etsy Vontovorona ny hetsika andiany faha-15
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny kianja Cnaps Vontovorona, ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena Afrikanina ho an’ny skoto. Hetsika andiany faha-15 izay tentarahina eto Madagasikara. « Ahafahana mandrefy ny fahafahan’i Madagasikara handray ny fivoriana lehibe izay ataon’ny skotisma ny volana septambra ho avy izao ity hetsika ity», hoy ny minisitry ny […]




