Mois : mars 2025

Rotsakorana sy rivodoza: Mihena 50 – 60 % eo ny isan’ny mpandeha mihazo ny faritra

Nahitana fihenany ny isan’ny mpandeha sy ny fiara mihazo ny faritra tao anatin’ny fotoanan’ny rotsakorana sy ny fandalovan’ny rivodoza teto amin’ny Nosy, raha ny fanadihadiana na­tao. Nihena ha­tra­min’ny 50% eo ny tahan’ny mpandeha. Mihena hatramin’ny 50 – 60 % eo ny isan’ny mpandeha mihazo ny faritra nanomboka ny volana febroary […]

VAOVAO TAMBATRA

Voafidy fanindroany ho seranana iraisam-pirenena mendrika indrindra aty Afrika ny eny Ivato Antananarivo. Ao anatin’ny sokajy mandray mpandeha latsaky ny 2 tapitrisa isan-taona no voakasik’izany, araka ny ACI World. Ny valin-teny nomen’ny mpandeha sy ny fanatsarana ny fotodrafitrasa eny an-toerana no nahazoana ity loka goavana ity. Hankalazaina ny 10 hatramin’ny […]

Mitandrina hatrany !

  Tsy mena mivadika ilay toetr’andro. Raha nigaingaina sy nahazo vahana ny hafanana, tampoka teo: nirotsaka ny orana manerana ny Renivohitr’i Madagasikara. Azo tsapain-tanana ny fiovaovana izay mitondra voka-dratsiny goavana ara-tsosialy sy toekarena. Niria-maha ory tokoa ilay izy. Raha vao manomboka miarina sy manorona indray ny fiainany ny tra-boina, efa […]

Lalam- pirenena faha-7: Mandeha ny asa fanamboarana: Antananarivo-Antsirabe

Mandeha ny fanarenana ny lalam-pirenena faha-7. Mitohy koa ny any amin’ny RN10, any Ampanihy, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Jude. Avy amin’ny Tahirimbola ho an’ny lalana na «Fonds routier» (FR) sy ny tetikasa PDDR an’ny Banky iraisam-pirenena ny vola hanarenana ny ampahan-dalana RN7: Antana­narivo-Antsirabe. Eo amin’ny PK 73 hatrany amin’ny PK 94, […]