Famedev, « Femmes en Action, Media, Genre et Développement », manitra hatrany ny sehatra iasany sy hitondrany fampandrosoana. Efa ahitana mpikambana eo anivon’izy ireo koa izao ny amin’ny faritra Boeny, ao Mahajanga. Anisan’ny nandray anjara mavitrika tamin’ny fankalazana nasionaly ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy tany Mahajanga ny fikambanana, ny […]
Mois : mars 2025
Antsirabe : Fihaonamben’ny mpandraharaha madinika
Natao tany Antsirabe, ny 5 marsa teo, ny Fihaonamben’ny mpanjifa mpandraharaha, (Forum Clients) andiany faharoa. Voakasik’izany ireo mpandraharaha sy orinasa tena madinika sy salantsalany (TPE-PME). Mikarakara azy ny Sipem Banque, entina hanomezana torolalana hampiroboroboana ny fandraharahana any Vakinankaratra. Ao anatin’izany ny hikarohana fomba mahomby amin’ny sehatry ny ara-bola, ahafahana manitatra […]
VAOVAO TAMBATRA
Mitentina 8,7 tapitrisa dolara ny tetikasa Fier natao hanamafisana ny famatsiam-bola ho an’ny angovo madio sy maharitra eto Madagasikara. Manohana ny tetikasa ODD, Pnud, Onudi ary UNCDF. Tetikasa iaraha-miasa amin’ny fanjakana malagasy sy ireo minisitera voakasika. Nifampizara lalan-tsaina entin’ny governemanta hampandrosoana ny faritra Boeny ny minisitry ny Toekarena sy ny […]
Mahajanga : Hamboarina ny seranan-tsambo
Sesilany ny fotodrafitrasa apetraky ny filoham-pirenena nandritra ny diany tany Mahajanga, ny herinandro teo. Tapaka fa hamboarina ny seranan-tsambo ao an-toerana manomboka amin’ity taona ity. Haharitra 10 taona ny fanatanterahana ny asa mba hahafahana mamaly ny fifaninanana iraisam-paritra sy hamaliana ny tsena an-dranomasina eo amin’ny lakandranon’i Mozambika. Tafiditra ao anatin’ny […]
Tobim-pamokarana herinaratra 5MW: Hovitaina ao anatin’ny efa-bolana
Vitaina anatin’ny fotoana fohy ny fanatanterahana ny tetikasa tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro ao Mahajanga. Napetraka ny zoma teo ny vato fototra hanatanterahana ny tetikasa. Efa-bolana. Izay no faharetan’ny fanamboarana ny tetikasa tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro hapetraka ao Mahajanga. Hanana tanjaka 5MW ny tetikasa ka tanjona ny […]




