Mois : mars 2025

INDRAY MIJERY

Hikorontana ny toetry ny andro any an-dranomasina any amin’ny morontsiraka avaratra atsinanana sy avaratra andrefan’ny Nosy noho ny fisian’ilay rivodoza Jude ao amin’ny lakandranon’ny Mozambika. Entanina ny mpampiasa ranomasina any amin’ireo morontsiraka ireo mba hanaraka ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony. Satria, hanonja be na hahery be ny ranomasina ary ho […]

Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy : Fiofanana nataon’ny Mifam Advantista Alarobia

Niavaka ny nankalazan’ny fiangonana Advantista, ao Alarobia Ambatomanga, dis­trikan’Ambohimangakely ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy, ny sabotsy 8 marsa lasa teo. Koa satria nifanindry tamin’ny andro sabata izany dia fitondrana am-bavaka ireo andriambavilanitra tao an-toerana sy ireo vahiny nasaina no natao. Nikarakara ny hetsika ny fikambanana Ministère de la femme […]

Oniversiten’Antananarivo: Vonona ho filoha ny Pr Rijalalaina

Hotanterahina ny 14 Marsa izao ny fifidianana ho filoha hitantanana ny Oniversiten’Antananarivo. Telo ireo kandida mpifaninana, anisan’izany, ny Pr Rijalalaina Rakotosaona avy amin’ny Ecole Supérieure Polytechnique d’Antananarivo (ESPA). Teny manentana entiny mandritra izany ny hoe: “Hay, Andraikitra, Asa ho fampitomboana ny hasin’Ambohitsaina”. Tafiditra ao anatin’ny vinam-pandrosoany, ny hanatsarana ny kalitoan’ny […]

Rajoelina Mialy : Antoky ny fampandrosoana ny fampianarana ireo tovovavy

Manomboka izao dia tsy hitsahatra ny hanentana ny ray aman-dreny handefa ny zanaka vavy any an-tsekoly ny vadin’­ny filoham-pirenena Rajoelina Mialy. Fanalahidin’ny fampandrosoana ny fampianarana ireo tovovavy. Nampiakatra ny fahatokisan-tena sy fikirizana ao anatin’ny vehivavy ny vadin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Mialy, nandritra ny lahateniny tao Mahajanga, ny sabotsy teo, tao anatin’ny […]

Volley-CCCZone 7 : Tompondaka lefitra ny GNVB, lehilahy

Nifarana ny faran’ny herinandro teo, ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka eto amin’ny faritra faha-7, taranja Volley ball, natao tany Maorisy. Voahosotra ho tompondaka lefitra ny GNVB (Gendarmerie Nationale de Volley Ball) lehilahy, rehefa resin’ny Gecko Volley ball (TGV) tamin’ny seta 3 no no 1 (25-19/23-25/25-22/25-21), teo amin’ny lalao famaranana, […]