Niditra tamin’ny andro fahatelo, omaly, ny fifaninanana Smatchin, taranja basikety, andiany faha-11. Fifaninanana tanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina sy eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, nanomboka ny zoma 7 marsa lasa teo. Lalao anisan’ny notontosaina, omaly, ny fihaonan’ny ekipan’ny ITU sy ny Emit ary nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa 41 […]
Mois : mars 2025
DAKA AN-JORONY : Aza manao fitiavana mandalo
Malaza ho sakaizan’ny mpandresy ny Malagasy raha eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena no resahina. Raha mandresy, tsenaina sy anaovana akora lava. Aderadera etsy sy eroa ary ankalazaina ho ren-tany, ho ren-danitra. Mitsangana hatramin’ny maty, hoy ny vazivazin’ny sasany. Marina tokoa izany satria ireo tsy tazana hatramin’izay, miseho ho mpanohana avokoa […]
Rugby – «Sevens challenger series»: Tafita ho any Pologne ny Makis de Madagascar
Manohy ny lalany amin’ny fiadiana ny «sevens challenger series», taranja rugby lalaovina olona 7 ny Makis de Madagascar, lehilahy. Tafiditra ao anatin’ireo firenena valo voalohany, nahazo ny tapakila hiatrehana izany ny Malagasy taorian’ny fahavitan’ireo dingana roa natao. Tontosa ny sabotsy 8 marsa lasa teo, tao amin’ny kianja Athlone Sport Stadium, […]
Randriamiandrisoa Nicolas : 32 taona niangaliana ny taranja Taekwondo
Mpikatroka eo amin’ny taranja Taekwondo, teratany malagasy, milaravinahitra any Frantsa, Randriamiandrisoa Nicolas, fantatry ny maro amin’ny solon’anarana hoe Nicolas Ragonz. Ankoatra ny maha mpikatroka azy, mpampiofana eo amin’ny taranja Taekwondo any ivelany, nanomboka ny taona 2009 ny tenany. Handeha ho fantarina ny momba azy. Randriamiandrisoa Nicolas no tena anarany ary […]
TARATRY ny KANTO
Anisan’ny hampiavaka ny fankalazana ny Taom-baovao malagasy amin’ity taona 2025 ity ny fandraisan’anjaran’ny sekoly. « Hitombo izy ireo satria nahavita nitety sekoly maro izahay », hoy ny nambaran-dry zareo avy ao amin’ny fikambanana Maiha. Nambaran’ny filohany tamin’izany fa zava-dehibe ny fampahafantarana ny taranaka ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao malagasy. Nametraka ny […]




