Mois : mars 2025

Ady tsy vita

  Mirongatra ny fanendahana, fanakanan-dalana, tsatok’antsy… Tsy fandriampahalemana. Fahantrana no antony? Na tsy fisian’asa, disadisam-piarahamonina malia sy mora tohina… Eo koa ny fahaverezan’ny soatoavina? Misy tsy manana inona hajaina na atahorana intsony. Tsy misy, ohatra, izay tahotra an’Andriamanitra, tahotra tsiny sy tody, ny tsy fiheverana sy fitsinjovana ny hafa… Efa […]

Filoha Rajoelina Andry: « Hanokanam-bola betsaka ny vehivavy »

Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry tany Mahajanga, ny sabotsy teo, tamin’ny andron’ny 8 marsa ny hanohanan’ny fitondram-panjakana ny vehivavy. Nohamafisiny tamin’izany fa ho eo anilan’ny vehivavy mandrakariva ny filoham-pirenena. Natsidiny fa hiezaka ny hitady vahaolana sy hanampy azy ireo hatrany mba hahaleo sy hahazaka tena amin’ny sehatra maro. « Efa nanokanan’ny fitondram-panjakana […]

TSELATRA

Mahakasika ny raharaha vaky trano tetsy Ambodiafontsy ny 28 febroary lasa teo, nalefa eny amin’ny fonjan’ny Tsiafahy ireo lehilahy enina voarohirohy taorian’ny fampanoavana azy ireo tetsy amin’ny fitsarana Anosy, ny zoma alina lasa teo. Raharaha famonoana ny ben’ny Tanànan’i Man­gataboahangy, ny 21 febroary lasa teo. Olona 18 nahiditra am-ponja vonjimaika, […]

Jiolahy mpampanofa basy: Maty voatifitra i Dadabekibo

Toarian’ny fidinan’ny mpitandro filaminana hampandry fahalemana an’i Toamasina. Maty voatifitry ny mpitandro filaminana avy amin’ny UIR tao amin’ny depot fahatelo Toamasina i Dadabota na Dadabekibo, omaly tolakandro. Jiolahy malaza amin’ny fampiasam-bola toy ny mpandraharaha rehetra ary mampanofa basy ihany koa izy. Ankoatra izay, mampiasa tovolahy kely maro hanendaka sy hamono […]

Takaitran’ilay andro ratsy tany avaratra: Iray no maty, 4115 ny traboina, manambana ilay rivodoza Jude

Namela takaitra ilay andro ratsy nandalo tao avaratra, faritra dimy no voakasika, distrika valo sy kaominina 16 no nitondra takaitra. Hiverina hanambana ny faritra Menabe na Atsimo Andrefana kosa ilay rivodoza Jude aorian’ny fiverenany ao amin’ny lakandranon’i Mozambika, amin’ity herinandro ity. Taorian’ny fandalovan’ilay andro ratsy tany amin’ny tapaxny avaratry ny […]