Mois : mars 2025

Jica sy MTP : Antontan-kevitra fikojakojana ny lalana sy ny tetezana

Naharitra 50 volana ny namolavolana ny tetikasa Fampivoarana ny fahaiza-mitantana ny fikojakojana ny lalana sy ny tetezana eto Madagasikara (F3LTM). Na­natontosa azy ny Jica sy ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP). Natao omaly ny fivoriana faran’ny Vaomiera iombonana mpandrindra (CCC), andiany faha-8 sy ny fivoriana ara-teknika andiany fahefatra. Miisa enina ny […]

Orinasa Star : Zana-kazo 80 000 hambolena

Ataon’ny orinasa Star vaindohan-draharaha ny fambolen-kazo, ao anatin’ny Fandraisana andraikitry ny orinasa ara-piarahamonina (RSE). Tanjona ny hiarovana ny tontolo iainana ahazoana vokatra maharitra. Maherin’ny 80 000 ny zana-kazo nomanina tamin’ny taona 2024, hiatrehana ny taom-pambolena 2025. Miisa 26 000 ny naparitaka manerana ny toeram-pamokaran’ny orinasa, ka 12 500 any Ambatolampy, […]

Fampandrosoana: Mandrafitra ny 98% ny toekarena ny orinasa madinika

Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny toekarena ny sehatry ny fandraharahana. Miteraka asa sy mampidi-bola izy ary mitarika amin’ny fampandrosoana ny firenena. Manome lanja ny vehivavy sy ny tanora mpandraharaha ny fikambanan’ny orinasa malagasy (Fom). Anatin’ny fanamafisana ny fahaiza-mitantana ny orinasa madinika izy ireo mba hisitrahan’ireo mpikambana fampiofanana sy famatsiam-bola […]

JNA, andiany faharoa: Hatao any Morondava

Hatao any Morondava, ny 28 hatramin’ny 31 aogositra ho avy izao ny Andro nasionalin’ny olon-dehibe, andiany faharoa. “Olon-dehibe mijoro amin’ny finoana sy fanantenana kristianina, hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiavana eo amin’ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana” ny lohahevitra. Tanjona ny hanehoana sy hanamafisana ny fiombonana sy fiaraha-mientan’ny olon-dehibe rehetra […]

Fiaraha-miasa : Hizara traikefa amin’ny Tafika Malagasy i Tiorkia

Nandray ny masoivohon’i Tiorkia miasa sy monina eto Madagasikara, Ishak Ebrar Çubukçu, ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, afakomaly, teny Ampahibe. Ni­voitra tamin’ny fihaonana fa efa nahazo tombony ta­min’ ny fampiofanana tany Tiorkia ny Tafika Malagasy. Nison­ga­dina tamin’ny lahadiniky ny roa tonta nandritra ny fihaonana rahateo ny […]