Nambaran’ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, fa tena miezaka tokoa amin’ny fikolokoloana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fambolen-kazo ny tenany, miaraka amin’ny loholona sy ireo mpiasa eo anivon’ity Andrimpanjakana ity. Notsindriny fa miezaka hatrany mampivoatra ny diplaomasia parlemantera handraisana anjara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara sy hikatsahana ny soa ho […]
Mois : mars 2025
Raharaham-bahiny : “Tsy voatery mitady vahaolana lavitra vao mandroso”
Nisy ny fifanaovan-tsonia lasitra politika teo amin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy sy ny an’ny congolais, omaly teny Anosy. “Tsy voatery mitady vahaolana lavitra hatrany vao mety hoe mandroso vahaolana”, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, teny Anosy, omaly. Taorian’ny fifanaovan-tsonia lasitra politika eo amin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy sy […]
INDRAY MIJERY
Nanome tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana ho an’ireo traboina noho ny tondradrano nateraky ny rivodoza Honde ireo mpiasan’ny fahasalamana ao amin’ny distrikan’i Beloha, ao amin’ny toeram-pandraisana EPP Zambe. Toy izany koa ny traboina ao amin’ny kaominina Androka sy Itampolo, izay samy nahazo fitsaboana maimaimpoana manandrify azy avy. Tontosa ny fanamafisam-pahalalana momba ny […]
Andro maneran-tany ho an’ny zon’ny vehivavy : Hampirantiana ny zava-bitan’ny fikambanana
Hanomboka anio ny fanamarihana ny Andro maneran-tany momba ny zon’ny vehivavy izay efa nosantarina tamin’ny diabe ho an’ny fahasalamana andiany faha-32 « Sarobidy ny aiko » teny Ambohidratrimo ary namakivaky ny lalam-pirenena fahefatra. Nanome tolotra fahasalamana maimaimpoana miaraka amin’ny fanafody sy ny fitarafana samihafa ny mpiasan’ny fahasalamana. Mbola hitohy ao amin’ny Centre […]
Filohan’ny oniversite Antananarivo : Tokony hanara-dalàna avokoa ny kandidà
Araka ny lalàna manan-kery dia tsy tokony hanao asa hafa ivelan’ny asany ireo mpiasam-panjakana. Voakasik’izany ireo mpampianatra amin’ny oniversite. Tsy tokony hanana oniversite tsy miankina ihany koa, araka izany, ny mpampianatra amin’ny oniversite. Misy anefa mandika ireo lalàna ireo. Mijoro manohitra izany ary te hampihatra lalàna ny vaomiera manokana mikarakara […]




