Mois : mars 2025

Lanja miakatra

  Tsy misy fiainana mihamora izany? Dia lasa fomba fiaina sy fisaina ny fiaretana, fihafiana, fahoriana aza. Nahoana? Fahoriana sy fampijalian-tena ny fiaretana tsy anantenana fiovana sy fihatsarana amin’izay iforetana. Sanatria, izany ve no misy sy iainana amin’izao raha ny fiakaran’ny vidim-piainana? Saika mandeha ho azy ny fihafiana amin’ny fidangan’ny […]

Fanampiana traboina : Nidina ifotony tany Ampanihy ny filoha Rajoelina Andry

Nidina ifotony avy hatrany nijery ireo traboina noho ny rivodoza farany teo ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Nitondra fanampiana sy nankahery azy ireo ny tenany tamin’izany. Fankaherezana, fanolorana fanampiana… Izay ny fitsidihana voalohan’ny filohan’ny Repoblika, Rajo­elina Andry, ireo traboina any Ampanihy Andrefana, omaly, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Honde. Niara-dia taminy ny […]

TSELATRA

Trano ahitana rihana telo nirehitra tany Vakinankaratra, omaly maraina tamin’ny 9 ora sy sasany. May kilan’ny afo tao ny vola 4 tapitrisa Ariary. Court-circuit ny antony nahatonga ny firehetana raha ny fanazavana voaray. Nanomboka tany amin’ny rihana fahatelo ny afo. Simba avokoa ny entana rehetra tao amin’io trano io. Vata […]

Efa-mianaka resin-torimaso : Norobain’ny jiolahy ny basy sy ny vola

Nidiran’ny jiolahy antsokosoko tao amin’ny efitrano natoriany, teratany vahiny voaroba vola, niampy fitaovam-piadiana tao Mahambo, Fenoarivo Atsinanana, ny faran’ny herinandro teo. Teratany vahiny sy ny vady aman-janany niara-lasibatry ny asan-jiolahy tao amin’ny trano fandraisam-bahiny iray ao Doany, kaominina Ma­hambo, distrika Fenoarivo Atsinanana, ny alin’ny sabotsy 1 marsa teo. Nivahiny tao […]

Fanolanana ny zana-dabiny: Lehilahy 29 taona voasambotra

Fantatra fa naolan’ny raikeliny nanomboka teo amin’ny faha-7 taonany (2022) ny zazavavikely iray 9 taona tany amin’ny fokontany Ambondrona, Mahajanga. Nanatanteraka ny filan-dratsy taminy ny raikeliny, 29 taona, rehefa tsy ao an-trano ny renin’io zaza io. Tonga nitory teny anivon’ny mpitandro filaminana any an-toerana ny renin’ilay zaza, ka nahavoasambotra io […]