Trangam-piarahamonina mahazo vahana amin’izao fotoana izao ny fibodoana tany ataon’ny olona mpanam-bola sy manam-pahefana. Ireo tantsaha any ambanivohitra no mahita faisana. Miseho amin’ny endriny maro ny halatra, manginy fotsiny ny fanambakana. Miaritra ny mafy sy tsindrihazolena ireo marefo sy tsy misy mpiaro. Manao ilay tsindriofalavo ny ankamaroan’ny Mafia. Ny […]
Mois : mars 2025
Jly Ravalomanana Richard : “Ohatra ho an’ny mpanao politika Avaradrano”
Notanterahina omaly ny fametrahana samboady ireo ben’ny Tanàna miisa 16 eny amin’ny distrikan’Avaradrano. Nanafatra sy nanome toromarika azy ireo ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard tamin’ ny lahateniny. “Mahavelombolo ny mahita ny firaisankina asehon’ireo ben’ny Tanàna na samy manana ny firehan-kevitra politikany aza. Ohatra tsara azon’ireo mpisehatra politika rehetra […]
TSELATRA
Zazalahikely mpianatra iray natelin’ny ranomasina tany Sambava, omaly. Nandeha nanao EPS tao amin’ny stade izy sy ireo mpiara-mianatra aminy, raha ny angom-baovao voaray. Nafana ny andro tamin’io ary nandeha nandro tany an-dranomasina izy. Tsy hita izy avy eo fa nalentiky ny ranomasina, tsy hita. Tonga nanao fikarohana azy io ny […]
Rotsakorana 14-19 febroary: Tafakatra 29 ireo namoy ny ainy
Tafakatra 29 ireo olona namoy ny ainy, vokatry ny rotsakoram-be teto amin’ny Nosy, nanomboka ny 14 hatramin’ny 19 feborary lasa teo, raha ny tatitra navoakan’ny BNGRC, omaly hariva. Iray maty nilatsaham-baratra tany Behenjy, iray tany Belo Tsiribihina, telo ny teny Ambohidratrimo, iray tany Anjozorobe. Iray Farafangana, iray teto Antananarivo II, […]
Lehilahy mamo: Maty kilan’ny afo tao an-tranony
Nitrangana firehetana trano iray tany Mahavanona Antsiranana II, afakomaly tamin’ny 3 ora maraina. Tovolahy 28 taona, mamo ary tsy tafahetsika tao an-tranony no may kilan’ny afo nandritra izany. Fatin’olona efa may kilan’ny afo tanteraka sy niondrika teo amin’ny sisim-pandriana no hitan’ny fokonolona sy ny tomponandraikitra. Afon-tsigara no mety ho antony […]




