Mois : mars 2025

“World Cola PFL” : Hafana ny lalaon’ny Fosa Jr sy ny AS Fanalamanga

Hotontosaina amin’ity faran’ny herinandro ity, ny andro fahadimin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baoliana kitra “World Cola PFL”. Anisan’ny fifanandrinana tena heverina ho toy ny famaranana ny lalaon’ny Fosa Juniors Boeny sy ny AS Fanalamanga. Hotontosaina eny amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, ny sabotsy ho avy izao. Araka ny fikarohana […]

Kianja Barea Mahamasina : Nahazo fankasitrahana avy amin’ny Caf ny ezaka nataon’ny fanjakana

Naneho ny fanazavana mahakasika ny vaovao niely, afakomaly, mahakasika ny Kianja Barea, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Marson Moustapha Abdulah, omaly, tetsy Mahamasina. Nambarany fa efa nisy ny ezaka saingy mbola misy hatrany ny fanatsarana tokony hatao. Manoloana ny zava-misy sy ny vaovao miely anaty tambajotran-tserasera ankehitriny, […]

PAM : Solontena vaovao i Tania Goossens

Tania Goossens no solontena vaovaon’ny fandaharanasan’ ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam) eto Ma­da­­ga­sikara. Nanolotra ny taratasy manendry azy amin’izany andraikitra izany tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, ny tenany tamin’ity herinandro ity, teny Anosy. Efa niasa teo anivon’ny Pam tany Guatemala sy Pérou izy momba ny fiahiana ara-tsakafo […]

Fanamarihana ny Andron’ny vehivavy: Hotokanana ny ivontoerana any Mahajanga

Nitondra fanazavana ma­hakasika ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy izay hotanterahina any Mahajanga ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, omaly, tetsy Ambohijatovo. Fitovian-jo sy fizakan-tena ho an’ny vehivavy no lohahevitra hovoizina amin’ity taona ity. Eo ambany fiahian’ny va­din’ny filoham-pirenena, Rajoelina Mialy, ny fankalazana rehetra hatao. […]