Mois : mars 2025

Taom-pianarana 2025-2026: Notazonina ny roa volana dimy

Efa navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny tetiandrom-pampianarana ho an’ny taom-pianarana vaovao 2025-2026, ny volana febroary lasa teo. Hanomboka ny 8 septambra 2025 ny taom-pianarana ary hifarana ny 25 jona 2026. Notazonina ho roa volana dimy ny fizarazarana, elanelanin’ny fiatoana fohy, herinandro iray ankoatra ny fialantsasatra ho an’ny Noely sy ny Paka. […]

Fampandrosoana ny firenena : Manana anjara andraikitra ny mpisehatra ara-tsosialy

Mbola malalaka ny asa miandry ireo mpisehatra ara-tsosialy eto Madagasikara. Manana andraikitra voalohany amin’ ny fampandrosoana ny firenena izy ireo. Nankalazaina afakomaly, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpisehatra ara-tsosialy. Nomarihin’ izy ireo tamin’ny alalan’ny hetsika samihafa izany. Anisan’ny nanao hetsika mahakasika izany ny teo anivon’ny sekoly ES.DES tetsy Ankadivato. Nisy […]

Kaominina Toamasina : Hiandrandra fanovana ao anatin’ny dimy taona manaraka

Anisan’ny fanamby napetraky ny ben’ny Tanàna voafidy ao amin’ny tanànan’i Toamasina ny hitondra fanovana goavana any an-toerana ao anatin’ny dimy taona manaraka. Fantatra ireo nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana notanterahin’izy ireo, ny herinandro lasa teo. Niatrika filankevitra kaominaly tsy ara-potoana fanindroany ireo mpanolotsain’ny Tanàna miisa 19 mianadahy avy amin’ny vovonana Irmar, […]

SOMBIM-BAOVAO

Nodimandry omaly, maraina, ny mpanazatran’ny klioban’ny Elgeco, taranja baolina kitra, ny Coach Blaise, araka ny loharanom-baovao. Raha ny vaovao voaray, nitambotsitra noho ny fahazoana fandresena tamin’ ny lalao baolina kitra, ny alahady lasa teo, no nitarika tamin’izao fahafatesany izao. Mamaram-parana ny fiofanana ataony, eo amin’ny taranja Muay Thai, amin’ity herinandro […]