Mois : mars 2025

Herinandron’ny matematika : Navoitra ny raikipohy sy ny tarehimarika

Tontosa ny herinandro teo, tao amin’ny Oniversiten’Anta­nanarivo, ny Herinandron’ny matematika. Nanasongadina ny tarehimarika sy ny raikipohy sady fankalazana ny andron’ny Pi (Andro iraisam-pirenena momba ny matematika), ary indrindra ny fanomezam-boninahitra ireo mpampianatra 16 misotro ronono, ny hetsika. Nanome vahana kokoa ny fifanakalozana ho an’ireo manatrika sy ho an’ireo tia matematika […]

Ady amin’ny herisetra an-tsekoly : Hametraka vondrona fizarana ny Psy-kôzy Madagascar

Iray amin’ny andraikitry ny fikambanana Psy-kôzy Madagascar, fikambanana misehatra amin’ny tontolon’ny fahasalaman’ny saina ny ady amin’ny herisetra an-tsekoly, satria ny herisetra an-tsekoly (nandritra ny fahazazana) no anisany antony mitarika amin’ny tsy fahatomombanana ara-tsaina rehefa lehibe ilay olona. “Ny taona 2024, na­nomboka tamin’ny atrikasa efatra momba ny herisetra an-tsekoly, teto Antananarivo, […]

Jly Ravalomanana Richard : “Aoka hotandrovina ny soatoavina”

Nandray ireo solontenan’ny foko 18, avy any amin’ny distrikan’i Tsiroanimandidy sy Fenoarivobe, ny filohan’ny Antenimie­randoholona, ny Jly Ravalomanana Richard. Nirary soa ireo mpikambana hahavita be amin’ny adidy aman’andraikitra sahanina ho an’ny firenena ny tenany. Teo koa anefa ny hafatrafatra nampitainy. “Tokony hanana toe-tsaina mandala ny firaisankina sy mitandro ny soatoavina […]

Fampandrosoana ny faritra Anosy: Nofaritana ny fanajariana ho an’ny 20 taona ho avy

Efa mikendry sy mijery ny lavitra kokoa. Notanterahina nandritra ny roa andro, tao amin’ny Lapan’ny faritra Anosy, ny momba ny fanavaozana ny drafi-panajariana. Nambaran’ny tomponandraikitra nikarakara sy nisahana izany fa tonga amin’ny dingana manan-danja amin’ny fanavaozana ny drafi-panajariana ny drafitra (Srat) ny any Anôsy amin’izao fotoana izao. Anisan’ny nitarika izany […]

Famahana olan’ny herinaratra: Hanohana ny tetikasa ho an’ny angovo ny mpamatsy vola

Nandray ny delegasionin’ny Banky iraisam-pirenena ny filohan’ny Repoblika, afakomaly, teny Iavoloha. Voaresaka tamin’izany ny momba ny fiaraha-miasa amin’ny sehatry ny angovo. Nitarika ny delegasionin’ny Banky iraisam-pirenena ny talem-paritra misahana ny fotodrafitrasa, i Wendy Hughes. Voaresaka teo aminy sy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny nanaovana jery todiky ny fiaraha-miasa. Nohama­fi­sin’ireto […]