Hiara-hiasa ny Oniversite malagasy sy ny Oniversite maraokanina. Nisy ny dinika momba izany teny amin’ny foiben-toeran’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny fiandohan’ny herinandro teo. Oniversite Euromed de Fès, Université Cadi Ayyad ary ny Université Mohamed V de Rabat no hifantohan’ny fifanarahana. Tafiditra anatin’ny fiaraha-miasa ny fanoloran’ny Université […]
Mois : mars 2025
IPAM : Hampandroso an’Antananarivo sy ny manodidina
Nanatanteraka fivoriana voalohany tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ireo ben’ny Tanàna mpikambana ao amin’ny Ivom-panajariana an’Antananarivo sy ny manodidina (Ipam), omaly. Fotoana nahafahana nijery vahaolana mahakasika ny fitaterana sy ny fitantanana ny fako ary ny Jirama. Lohahevitra nodinihina ny fiantraikan’ny fitaterana amin’ny tontolo iainana sy ny vidiny. Teo koa ny […]
Vokatra “Vita malagasy” : Nentanina hanjifa ny mponina
Nidina ifotony, nifampitakosina amin’ny mpiompy sy ny mpandraharaha ny minisitry ny Fampiroboroana ny indostria sy ny varotra, Ralambofiringa David, ahafahana mahafantatra ny filan’izy ireo. Tafiditra amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra izany. Samy nanentana ny rehetra ny minisitra sy ny governoran’ny faritra Vakinankaratra, VyVato Rakotovao, tao Antsirabe, ny herinandro teo, momba […]
Andian-jiolahy ao Toamasina : 14 lahy mirongo antsy nanafika fivarotana miisa roa
Trano fivarotana roa no notetezina andian-jiolahy. Mandeha amin’ny andiany samihafa izy ireo izay manodidina ny 14 lahy. Mirongo antsy lava avokoa ry zalahy. Tao Tsarahonenana, carreau 4, ny alin’ny alahady hifoha ny alatsinainy 17 marsa teo, jiolahy miisa folo no nanafika tokantrano iray. Notorahan’izy ireo vato aloha ny tafontrano. Nandre […]
VAOVAO TAMBATRA
Vonona hamatsy vola hanarenana ny tetezan’Ifasy sy Mahavavy (RN6) ny Banky iraisam-pirenena. Eo am-pandinihana ny fomba hanatanterahana azy, miaraka amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy, ny Antokondraharaha misahana ny lalana (Agence routière), ny orinasa Colas ary ny Banky iraisam-pirenena. Anisan’ireo firenena telo ho fitaratra i Madagasikara amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina. […]




