Anisan’ny miantoka ny demokrasia solontena ny fisaraham-pahefana eo amin’ny mpanao lalàna sy ny mpanatanteraka ary ny mpitsara. Tsy inona fa fialana amin’ny firaisana tsikombakomba sy ny fifandirana na ady tombontsoa. Fandalinana…
Fitsipika fototry ny demokrasia solontena ny fisarahan’ny fahefana mpanao lalàna sy ny fahefana mpanatanteraka ary mpitsara. Mifanohitra amin’ny fitondrana tsy rafesi-mandidy (1) sy jadona izay fivangongoam-pahefana izany. Misy fiantraikany amin’ny hery manohitra izay fisaraham-pahefana izay; na hoe misaraka aza ny fahefana, samy ao anaty fanjakana. Ny hery manohitra kosa dia mety ho antoko na vondrona antoko, fikambanana, sendika matihanina, mpanao gazety, hevi-bahoaka na herim-bahoaka…
Voafaritra mazava ao
amin’ny Lalàmpanorenana ny tsipika fototra amin’izay fisaraham-pahefana izay. Tsy momba ny Fanjakana amin’ny heviny hentitra fotsiny ny fisaraham-pahefana, fa amin’ny ankapobeny dia ny sampandraharaha rehetra no tomponandraikitra amin’ny fanapahan-kevitra eo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Mba hialana amin’ny firaisana tsikombakomba sy ny fifandirana amin’ny tombontsoa izany, ka tsy maintsy mitady ny tsy fitanilana amin’ny fanapahan-kevitra.

Samy manana ny toerany sy ny asany ny fahefana
Araka ny nambaran’ny filozofa frantsay, i Montesquieu, hoe: “Mba tsy azo hararaotina ny fahefana, ilaina amin’ny alalan’ny fandaminan-javatra ny fahefana atsahatra amin’ny alalan’ny fahefana”. Famerana ny fahefana amin’ny alalan’ny fahefana izany. Ny fahefana mpanao lalàna dia ny parlemanta. Ho an’i Madagasikara, ohatra: ny Antenimiera roa tonta, ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona. Ny fahefana mpanatanteraka indray dia ny governemanta, ahitana praiminisitra lehiben’ny governemanta, minisitra, sekreteram-panjakana… Ny fahefana ara-pitsarana dia tsy fahefana araka izay iheverana ny hoe fahefana, fa fahaleovantenan’ny fitsarana na ny mpitsara amin’ny fanapahan-keviny na ny didy avoakany: tsy azon’ny fahefana mpanao lalàna sy ny mpanatanteraka tsabahina na baikoina amin’ny asany izy
amin’izany. Ankoatra ireo, ny teny hoe “fahefana fahefatra” sy “hery fahadimy” dia ampiasaina indraindray mba hanamarihana ireo andrimpanjakana toy ny herin’ny haino aman-jery sy ny fahefana ara-bola. Nanatsoaka hevitra ny filozofa fa ilaina ny fisarahana amin’ny fahefana mba hiadiana amin’ny famoretana.
R. Nd.
(1) Tsy rafesi-mandidy fa tsy hoe tsy refesi-mandidy: tsy azo atao rafy na tsy azo toherina rehefa mandidy, fa tsy hoe tsy azo refesina ny fandidiana.
Hoy izy ireo :
“Tsy mbola misy ny fahafahana raha tsy misaraka amin’ny fahefana mpanao lalàna sy ny fahefana mpanatanteraka ny fahefana mitsara”. Montesquieu
“Misy ny fahefana iombonana izay mampidi-doza no ho ny fahefana manokana”. François Mitterrand
“Ny fizarana fahefana no fomba azo antoka indrindra hisorohana ny fanamparana azy”. Maurice Druon
“Izay mampihatra ny lalàna dia tsy maintsy manaiky azy”. Montesquieu
“Tsy ilaina hatrany ny manao lalàna, fa ilaina hatrany ny mampihatra izay lalàna efa vita”. John Locke
“Aoka ny lalàna rehetra ho mazava, mitovy ary mazava tsara: ny fandikana azy dia saika manimba azy foana”. Voltaire
“Ny fahefana dia tsy maintsy faritana amin’ny mety ho fanararaotana azy”. Andre Malraux




