Filohan’ny Fanavaozana : “Finoanoam-poana ny fakana zaza varira”

Nitsidika ny ivontoeram-pampianarana ireo olona manana toe-tena varira ny Filohan’ny Fanavaozana, omaly. Nambarany, nandritra izany, fa finoanoam-poana ny fakana ireo zaza varira.

“Ny finoanoam-poana no mahatonga an’io. Raha olona mitodika amin’Andriamanitra, tsy ma­hasahy mikitika an’ireto ankizy ireto”, hoy ny filohan’ny Fa­navaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Mi­chaël, tamin’ny fitsidihan’izy mivady ny Sekoly Farafan­gana (Semafa), Faritra Atsimo Atsinanana, izay ivontoeram-pampianarana olona manana fahasembanana na toe-tena varira, omaly. Na izany aza, tsy maintsy fongorina ny mpanao ratsy. Amin’izany, manao izay vitany ny fitondram-panjakana. Tsy ho vita raham­pitso dia rahampitso ny ady amin’ny fakana olona manana toe-tena varira, araka ny nambarany. Samborina ny eto, mihetsika ny atsy; asiana zandary eto, mivoaka ny asan-dahalo any ambadika any…
Zaza efa-bolana no zandriny indrindra tezaina ao amin’ny Semafa, ary 35 taona ny zokiny indrindra. Raha to­kony ho 40 ihany no zakan’ny sekoly, mahatratra 143 izany noho ny hamaroan’ny fangatahana hametraka zaza varira any an-toerana. Manana fahasembanana ara-batana sy ara-tsaina ny 96 amin’izy ireo. Noho izany, nankahery ireo mpitaiza sy mpanabe ny filoha, ary nanolotra vola 20 tapi­trisa Ar ho fanampiana azy ireo amin’ny sakafo sy fitafiana ary kojakoja ilaina andavanandro. Nambarany ny fisian’ ny ivontoerana maoderina natsangan-dRto vadiny, Randria­nirina Elisa, ao Ihosy: misy toeram-pivavahana, fi­tsaboana, fianarana… Misy toy izany koa any Toliara, izay ambe­nan’­ny mpitandro filaminana. “Tsy tia manao fampanantenana izahay fa ho hita eo ny azo atao amin’ny fa­nampiana ny ivontoerana Semafa mba hanatsarana azy sy haha­zoan’­ireo ankizy mi­aina amim-pilaminana izany”, hoy ny Filoha.

R. Nd.

Partager sur: