I Jean-Marc Grosgurin no masoivoho manokana sady manana fahefana feno, vaovaon’ny Repoblika frantsay, eto Madagasikara. Tamin’ny alalan’ny didim-panjakana navoakan’ny filoha Emmanuel Macron, ny 7 aogositra lasa teo izany, ary nivoaka tao amin’ny Gazetim-panjakana frantsay, ny 8 aogositra. Izy no nandimby ny ambasadoro Arnaud Guillois.
Tokony hifantoka bebekokoa amin’ny fifidianana sy ny fampihavanam-pirenena ny 90% amin’ny dinika amin’ny fikaonandoham-pirenena, araka ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Firaisankinan’ny tia tanindrazana (FTT), Razafinjoelina Tahina. Izay hatrany no nahatonga ny krizy na korontana politika miverimberina.
Toy ny hatramin’izay, zara raha misy 10% ireo mpanisa mpifidy eo anivon’ny Vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy (CLRE), araka ny nambaran’ ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, tao amin’ny haino aman-jery tsy miankina iray, omaly. Ny mahagaga aza, ireo antoko politika lazaina fa madinika no tena mazoto amin’izany.
Nanazava ny antony tsy hanatanterahana ny fihaonan-kevitra parlemantera faha-59 eo anivon’ny SADC ny Antenimierampirenena Tsimbazaza, omaly. Nokasaina hatao eto Antananarivo, ny 22-29 aogositra izany. Noho ny fahasalamana amin’ny fihanaky ny valanaretina Ebola no nanemorana azy. Tsy mbola fantatra ny andro na ny toerana.




