Mois : avril 2025

Mpamatsy basy dahalo : Ombiasy sy olona roa naiditra am-ponja

Lehilahy mpanamboatra basy vita malagasy maty voatifitra ary olona telo voasambotra ka notanana am-ponja ao Faranfangana, ny alarobia 16 avrily teo. Nahazoan’ny zandary alalana ho savaina fa nampiahiahy ny tranon’io raim-pianakaviana io, tao Lokandambo, kaominina Anosivelo, ny 11 avrily lasa teo. Trano roa voasava tamin’io fotoana io ka nahatrarana fitaovam-piadiana […]

Nanolana nandritra ny herintaona : Raikely naiditra am-ponja eny Tsiafahy

Voasambotra tamin’ny alahady ilay raikely, nanolana ny zana-badiny, teny Ambohimamory Itaosy. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy izy, taorian’ny fitoriana napetrak’olona tsara sitrapo iray. Nanomboka ny taona 2024 ity ankizivavy ity no niharan’ny fanararaotana ara-nofo nataon’ny raikeliny. Noheverin’ny maman’ ity zaza fa mifankahazo am-po izy mianaka ka tsy nanampo na inona […]