Mois : avril 2025

Antsa Paska 2025 – chorale Orimbato: Hanolotra ny « Velona mandrakizay »

Toy ny fanaony isan-taona, hanolotra amboaran-kira Paska ny Chorale Orim­bato, ny alahady 20 avrily izao, manomboka amin’ny 3 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga. Hanana en­drika miavaka ny amin’ity taona ity, satria, hiarahany miasa amin’ny Fikambanana mampiely baiboly malagasy (FMBM), noho ny faha-190 taona nahavitana printy voa­lohany […]

Andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy : Omena vahana ao anatin’ny herinandro ny fiofanana

Mankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy, fanao isan-taona, i Madagasikara. Amin’ity taona 2025 ity, tsy ao anatin’ny indray andro tahaka ny natao hatramin’izay ny hetsika hotanterahina fa herinandro. Ny 22 avrily, hosokafana amin’ny fomba ofisialy ny hetsika fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy. Tsy ao anatin’ny andro iray […]

VAOVAO TAMBATRA

Tsy ao anatin’ny faritra hotrandrahin’ny Base Toliara ny ala ahitana baobab. Nohamafisin’ny minisitry ny Tontolo iainana, Andonirina Max Fontaine, izany, omaly. Nohazavainy fa « any amin’ny Faritra arovana, alan’i Tsimanapetsotsa no ahitana ity hazo ity, izay an-jatony kilometatra, andehanana an-tongotra roa andro any ho any ». Diso, araka izany, ny filazan’ireo manohitra ny […]

Fitandroana ny tontolo iainana : Mihatra ny didim- panjakana Mecie vaovao

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny Carlton Anosy, ny didim-panjakana fampifanarahana ny fampiasam-bola amin’ny tontolo iainana (Mecie), laharana 2025-080, nivoaka ny janoary 2025. Miandraikitra azy ny Ofisim-pirenena ho an’ny tontolo iainana (ONE). Fitaovana lehibe ho an’ny fampifandanjana ny fampiasam-bolan’ny orinasa sy ny fiarovana ny rohy voahary, ny hatsaram-piainana ara-tsosialy […]