Mois : avril 2025

“Green Mada Land” : Fampiroboroboana ny fizahantany ekolojika

Matanjaka amin’ny fizahantany ny faritra Diana. Vao mainka hampiroborobo izany ny tetikasa « Green Mada Land” any amin’ny Nosy Sakatia. Niorina ny taona 2015 ny orinasa malagasy, Green Mada Land. Azo­ny ny fahazoan-dalana hitantana ny Tahirin-tany ho an’ny fizahantany (Réserve foncière touristique) any Ampa­sindava Sakatia, taorian’ny antso fanehoana fahavononana (AMI) nataon’ny […]

Fifandonan’ny moto sy posy bisikileta : Olona iray namoy ny ainy tany Toamasina

Namoy ny ainy, omaly, ilay mpitondra posy bisikileta, voadonan’ny moto iray tany amin’ny tetezana Tanamakoa, ny alahady teo tamin’ny 7 ora hariva. Nitrongy posy ny moto iray nanapa-dalana tampoka ny alahady teo. Naratra mafy nandritra izany ilay mpitondra posy noho ny hamafin’ny dona nahazo azy. Nentina notsaboina teny anivon’ny hopitaly […]

Fiomanana amin’ny fetin’ny Paka : Arahi-maso ny fitaterana rehetra manomboka izao

Ato anatin’ny fiomanana amin’ny fetin’ny Paka isika izao. Hanao hetsika fanaraha-maso ny fitaterana (fiara sy moto) ireo tomponandraikitry ny fitaterana rehetra eto amin’ny Nosy, manomboka izao, raha ny fampahafantarana nataon’izy ireo omaly, tetsy Anosy. Arahi-maso ny fiaingan’ny fiara eny amin’ny toeram-piantsonana sy ny eny an-dalambe rehetra eny. Hisy ny fitsapana […]

Praiminisitra Ntsay Christian : “Hatsaraina ny fitantanana ny harem-pirenena”

Nihaona tamin’ireo solontenam-panjakana ao anatin’ny filankevi-pitantanan’ny orinasa ananan’ny fanjakana petra-bola ny praiminisitra Ntsay Christian, omaly, tetsy Anosy. Nisy hafatrafatra nampitainy tamin’izany. Nambarany fa tokony ho fanoitra lehibe hampandrosoana ny firenena ireo orinasa ireo, ka nanentanany ny rehetra ny hananana fanoloran-tena iombonana amin’ny fitantanana mahomby. Tokony hangarahara ary miompana indrindra amin’ny […]

INDRAY MIJERY

Mandritra ny Herinandro nasionaly ho an’ny rano, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, hampiranty ny voka-pikarohana ny Foibe efatra ao anatin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa: INSTN, CNRE, CNRIT ary CIDST. Hanomboka andro­any ity hetsika ity, hanasana ireo liana momba ny fampahazoana rano sy ny manodidina izany. Hifarana ny […]