Mois : avril 2025

Fitaovam-pandrefesana ny habaka: Hanatsara ny fitiliana ny tetikasa Soff

Nampahafantarina omaly, teto Antananarivo, ny tetikasa Soff, izay hampiasana ireo fi­taovana vaovao entina manatsara ny fitiliana ny singa mandrafitra ny toetr’andro eto Madagasikara. Hapetraka ny fitaovana mi­isa 11manerana ny Nosy amin’ ireo toerana misy ny fitiliana ma­hakasika ny toetry ny andro. Fitaovana mahaleo tena ahafahana mamantatra ny toetoetry ny atmosfera […]

Kaominina Vohibato : Notokanana ny Lapan’ Ampela Miray Hina

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, ny faran’ny herinandro teo, ny Lapan’Ampela Miray hina ao amin’ny distrikan’i Vohibato, faritra Matsiatra Ambony. Fiaraha-mientan’ny fikambanam-behivavy ao an-toerana no nahafahana nanangana ny fotodrafitrasa. Nanampy tamin’ny fampitaovana kosa ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina. Toerana ahafahan’ny vehivavy mivory sy manao fampianarana ary mamolavola tetikasa ny Lapan’Ampela. […]

Olan’ny fikambanan’ny mpiasan’ny fahasalamana : Miantso ny fanjakana foibe hijery ny raharaha ny SPSM Madagasikara

Tsy nanao famindram-pitantanana tamin’ny mpikambana vaovao amin’ny birao nasionalin’ ny SPSM ofisialy ny sekretera jeneraly nasiolin’ny SPSM Madagasikara hatramin’izao satria tsy ara-dalàna ny fijoroany. Napetraka ny volana avrily 2022 ny Firaisan­kinan’ ny mpiasan’ny fahasalamana eto Madagasi­kara (SP SM) izay manana ny sata mifehy azy. Efa manana rantsana any amin’ny faritra […]

TARATRY ny KANTO

Seho roa ho an’ny tarika Filah. Ny 1 mai amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Chez Baba Isoraka. Vahiny nasaina manokana i Belahy. Ny 3 mai amin’ny 2 ora tolakandro « Revy glita », ao amin’ny Chez Food by Valimbavaka Anosivavaka Ambohimanarina. Tafaraka amin’ny tarika Filah amin’io i Belahy sy Hery Vaika. […]

Seho miavaka: Hiaka-tsehatra any Itavo Belazao ny Bira Ti’Art

Hiaka-tsehatra ao amin’ny EPP Itavo, kaominina Bela­zao, Antsirabe, ny tarika Bira Ti’Art, ny alahadin’ny Paka izao. Hiavaka izany satria hifangaroan’ny seho samihafa eny an-tsehatra. Nambaran’ny eo anivon’ny tarika Bira Ti’Art fa ho hitan’ireo mpijery any an-toerana ny hira sy ny dihy mirindra ary ny fampihomehezana. Manampy izany koa ny “Comedie […]