Raikitra indray ny « Concert à l’U », na ny fampisehoana zavakanto eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Hotontosaina ny zoma 18 avrily izao izany, manomboka amin’ny 3 ora, ao amin’ny Craam Ankatso. Hifandimby an-tsehatra amin’io ry Kabôsy Spirity, Mbaoé, MTF, Rolf ary ny Vain’Af. Gadona maroloko, kanefa maneho ny lokon’ny mozika fanome sehatra eny […]
Mois : avril 2025
Na sarotra aza ny lalana : Manohy ny diany ny tarika Honoré Soukouss
Taona 1998, nikirakira sy nandalina mozika Rakotonjanahary Honoré, mitondra ny solonarana “Honoré Soukouss”. Mamoron-kira, mihira, mitendry zavamaneno ary mandrindra azy ireo. Nipoitra avy ao amina fianakaviana mpihiragasy izy. Anisany nanampy betsaka azy amin’ny fampiakarana hatrany ny lentan’ny mozika lalaoviny ihany koa ny naha mpikambana azy teo anivona antoko mpihira. Mirona […]
Misaona ny kanto malagasy: Nodimandry i Jojo (Ny omaly) sy i Jaqui (Feon’Ala)
Vaovao ratsy ho an’ny tontolon’ny zavakanto, indrindra ny mozika. Samy nodimandry omaly, i Jojo, mpitendry vata maroafitsoka sy piano, sy i Jaqui, mpihiran’ny tarika Feon’Ala voalohany indrindra. «Lasa moramora i Papa… », hoy ny fanambaran’i Poopy, omaly maraina, tao ami’ny pejiny « Facebook ». Nodimandry ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy, […]
FANTINA sy FINTINA
Hamboarina ny lalana rehetra eto Antananarivo, araka ny nambaran’ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, teny Ambohidahy, omaly. “Efa nampanantenaina ny vahoakan’Antananarivo izany fa somary hafainganina kokoa ny fanamboarana azy. Ezahina vitaina ny lalana rehetra”, hoy izy. Niaraka niombom-bavaka tamin’ireo Malagasy any Paris ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, tamin’ny alahadin’ny […]
Fitsarana Tampony: Laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly
“Rehefa apetraka amin’ny toerany ny lehiben’ny fitsarana iray dia tsy maintsy manolotra vina vitsivitsy. Ny ady amin’ny kolikoly no voalohany indrindra amin’izany, izay fanambin’ ny fitondrana ankehitriny ary imasoan’ny minisitry ny Fitsarana”. Io ny nambaran’ny tonia mpampanoa lalàna ambony amin’ny fitsarana Tampony, Andriamahavory Christian Paul, tamin’ny lanonam-pitsarana manetriketrika teny amin’ […]




