Mois : avril 2025

FANTINA sy FINTINA

Mitohy hatrany ny hetsika fanadiovana ka anisan’ny nitondra fanatsarana ny zaridaina sy nandoko ny faritra eo amin’ny Rondpoint Ambohidahy, ny sabotsy teo, ny solontena avy eo amin’ny minisiteran’ny Fitsarana. Nitarika izany ny tale kabinetran’ny minisitry ny Fitsarana, Rabearisoa Rochel sy ireo tale isan-tokony. Nanadio ireo toerana lehibe : tsena, arabe, […]

Praiminisitra Ntsay Christian : “Resy lahatra amin’ny Base Toliara ny rehetra”

“Na ny mpanohitra na ny fitondram-panjakana ary ireo raiamandreny rehetra, samy resy lahatra amin’izao fotoana izao. Hiroso sy handray an-tanana ary hijoro hiaro ny tetikasa”. Io ny fanazavan’ny Praiminisitra Ntsay Christian ny amin’ny fivorian’ny OMC Nat notarihiny tany Toliara, ny faran’ny herinandro teo, ni­fampidinihana momba ny tetikasa Base Toliara niaraka […]

Mandeha mafy sy lavitra 

  Anisan’ny ahalalan’ny any ivelany an’i Madagasikara, hono, ny hoe moramora. Mba marina? Samy mandini-tena, mitsara… Eo koa ny hoe am-boalohany ihany rehefa mandeha na manao zavatra. Afo-mololo? Nefa misy ny fiteny malagasy izay hoe ny hazakazaka tsy dia: tsy mahalasa lavitra ny fihazakazahana tsy amin’ny antony. Maika tratran’ny miadana. […]

Filohan’ny Antenimierampirenena: « Olana lehibe ny fiovana maneran-tany »

Niatrika ny fihaonamben’ny filohan’ny Antenimiera (ISC) tany Korea Atsimo ny filohan’ny Antenimierampirenena malagasy, Tokely Justin. Navoitrany tamin’ny lahateny nataony fa olana lehibe ny fiovana maneran-tany. Nitohy ny faran’ny herinandro teo ny fivorian’ny fihaonambe iraisam-pirenena ho an’ireo filohan’ny Antenimiera. Anisan’ireo niatrika izany tany Séoul ny filohan’ny Antenimierampire­nena, Tokely Justin. Nitondrany fanazavana tamin’ny lahateniny […]