Maherin’ny 800 tapitrisa euros ny fampiasam-bola efa nataon’ny orinasa Yas. Nahazoam-bokatra ny ezaka natao, ka azony ny loka fankasitrahana iraisam-pirenena « Award nPerf 2025 ». Nilaza ny tale jeneraly ny Yas Madagasikara, Benoît Janin, ny zoma teo, fa noho ny toky natao hanomezana tolotra tsara indrindra ny mpanjifa no nahazoana ity fankasitrahana […]
Mois : avril 2025
Tetikasa Volobe: Tafapetraka ny Ivontoeram-piofanana
Ilaina ny birao ho fitantanan-draharaha mialoha ny tena asa hananganana ny tohodrano vaovao ataon’ny orinasa CGHV. Fotodrafitrasa goavana hamokatra herinaratra 750 GWh ny tetikasa . Notokanana ny 28 marsa teo, ny birao ao Tanamakoa Toamasina, birao fiasana sady ho toeram-piofanana an’ny Kaompania tohodrano herinaratra Volobe (CGHV). Natao ho an’ny fitantanan-draharaha […]
INDRAY MIJERY
Ho fisorohana sy fandraisana an-tanana ny fahatapahan’ny lalandra na ny fahatsentsenany no lohahevitra novoizina nandritra ny fanofanana ireo mpiasan’ny fahasalamana manerana ny Nosy, izay natao teto Antananarivo. Nisy ny fifandraisana ampitain-davitra ho an’ireo faritra hafa ankoatra an’Analamanga. Nifanakalo hevitra ny samy mpiasan’ny fahasalamana izay entina hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fitsaboana […]
BNGRC : Nanohana ny asa vonjy taitra ny QMM S.A
Mitentina 100 000 dolara ny fanampiana natolotra ny QMM S.A ho an’ny biraom-pirenena misahana ny fitantanana ny loza voajanahary (BNGRC) ho fiatrehana ny vonjy taitra. Natao ho an’ny asa famonjena sy fanampiana ara-pahasalamana ary sosialy amin’ny tranga loza voajanahary ny fanampiana. Ampiasana koa amin’ny toe-javatra maika misy fiantraikany amin’ny mponina […]
Toetr’andro : Hanjaka ny orana tandrifin-drahona
Hisesy ny fandalovan’ny rindrin-drahona ao atsimon’ny Nosy, amin’ity herinandro ity, raha ny tomban’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Hitondra orana tandrifin-drahona amin’ny toerana maromaro izany. Ny varatraza kosa dia hitoetra hatrany any amin’ny tapany avaratra atsinanan’ny Nosy. Ho an’ny atitany afovoany andrefana sy ny afovoan-tany kosa dia tombanana […]




