Mois : avril 2025

TARATRY ny KANTO

Hihazo an’i Inde ny Miss Madagascar 2024. Natolotry ny masoivohin’i Inde miasa sy monina eto an-toerana an’i Cyria Teamangombe omaly, ny “visa” hoentiny misolo tena an’i Madagasikara amin’ny famaranana ny “Miss Monde”. Hatao any Telangana any Inde izy ity, ny 7 hatramin’ny 31 mey izao. Hantenaina hitondra vokatra tsara ny […]

Tontolo rock: Hiray sehatra ry Kiaka sy Iraimbilanja

Tafaray hiaka-tsehatra ny tarika Iraimbilanja sy Kiaka, ao anatin’ilay hetsika « Mo­zik’Iray ». Mpanohana ofisialy ny Airtel Madagasikara, izay hotanterahina amin’ny alahady 4 mey 2025 ho avy izao ny voalohany etsy Antsahama­nitra. Hatao ny 30 mey 2025 kosa ny fampisehoana faharoa any Moramanga. Hiom­pana amin’ny gadona Rock sy ny manodidina azy ny tolotra […]

« Ho tonga anie ny fanjakanao »: Hanao seho sy fifanakalozana eto Madagasikara ny Exo

Tonga eto Madagasikara ny Exo. Tarika miangaly ny hira sy mozika kristianina, mampita hafatra. Hanatanteraka fampisehoana sy fifampizarana traikefa ho an’ny Malagasy. «Ta bienveillance », « Je veux n’être qu’à toi », « Si tu veux le louer »… Hanakoako eto Madagasikara indray ireo hira mampalaza ny tarika Exo ireo. Fampisehoana telo avy hatrany no […]

FANTINA sy FINTINA

Naneho hevitra ny momba ireo Nosy Mala­gasy ny depiote, Ratsiraka Sophie. “Miaraka miaiky isika fa tsy mbola manana fitaovana entina miaro sy mitrandraka ny zava-misy ao”, hoy izy. Nanteriny anefa fa tokony isika Malagasy no tsara miresaka matotra sy mametraka raha hiara-mitantana ireo Nosy ireo, ahafahana mijery ny fepetra rehetra […]

Mpandimby ny papa François : Raikitra ny fanomanana ny fifidianana

Tsy miandry ela! Hotan­terahina, manomboka ny alarobia, fahafiton’ny mey ny fikatonan-trano “Conclave”, hifidianana ny handimby ny toeran’ny papa François, taorian’ny fodiamandriny. Efa nanomboka nivory, omaly, ireo kardinaly rehetra tonga any Vatican amin’izao fotoana izao nandinika ny ho fizotry ny fifidianana ho eo amin’ny toeran’ny fiketrahana Masina. Anisan’ny notapahana tamin’ izany […]