Nioty vokatra ny ekipa teknika eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny tenisy, tarihin-dRazanamasy Lala, nandritra ny fikarakarana ny “circuit” ho an’ireo kilongalahy sy vavy U10 sy U12 ary U14. Niakatra ny lentan’ireo ankizy mifaninana izay mitombo isa hatrany. Nifarana ny alahady lasa teo, teny amin’ny kianja Ankatso ny “circuit” taranja tenisy ho […]
Mois : avril 2025
INDRAY MIJERY
Ny tsiokan’ny alizay tsy marin-toerana indraindray any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy no handrafitra ny toetry ny andro, nanomboka omaly hatramin’ny zoma ho avy izao. Ny fandalovan’ny rindrin-drahona ao atsimon’ny Nosy kosa aorian’izay. Hisy orana malefaka miatoato any amin’ny morontsiraka avaratra atsinanana, afovoany atsinanana ary atsimo atsinanan’ny Nosy hatramin’ny zoma. Hisy […]
Sehatry ny fizahantany : Niofana ireo mpanombantombana amin’ny VAE
Notanterahina nandritra ny roa andro, ny herinandro lasa teo, tao amin’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana ny fiofanana ho an’ireo mpanombantombana (Evaluateurs) en Validation des Acquis de l’Expérience (VAE). Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, amin’ny alalan’ny direction des evaluations professionnelles et de […]
Young Leaders 2025: Nisongadina ny Dr Domoina ao amin’ny CUA
Anisan’ireo tanora 30 voafantina tamin’ireo 6 000 nisongadina tamin’ny “Youg Leaders 2025”, araka ny nambaran’ny French African Fondation, ny Dr Domoina, izay avy ao amin’ ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Sangany amin’ny fomba fitarihana feno fanoloran-tena izy. Nampisongadina azy indrindra ny fahaiza-mitarika amin’ny alalan’ny asa ataony amin’ny sehatry ny fahadiovana, fanentanana, […]
Governora Rasoamaromaka Hery : Tazonina ny tanàna milamina, mitohy ny ezaka fanatsarana
Nanao tombana ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, omaly, tetsy Ambohidahy, taorian’ny fandraisana ireo filoham-pirenena maro, izay niatrika iny fivoriamben’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina (COI) iny. Nisaotra ny tomponandraikitra maro ny governora, Rasoamaromaka Hery, tamin’ny ezaka nandaminana ny tanàna tao anatin’ ny fotoana fohy, nandritra ny COI. Nisaotra ny vahoaka malagasy […]




