Hankalazaina tsy ho ela ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny boky sy ny zon’ny mpanoratra. Ho an’i Madagasikara, tsy mbola zava-dehibe ny boky sy ny zon’ny mpanoratra. 23 avrily, Andro maneran-tany ho an’ny boky sy ny zon’ny mpanoratra. Taona 1975, nanomboka nihena andro aman’ alina ny fampiasana ny boky teto Madagasikara. […]
Mois : avril 2025
Vaovao tambatra
Miverina ny delestazy eto Antananarivo, izay maharitra adiny roa isan’andro, araka ny fanambaran’ny Jirama. Antony, nihena ny haavon’ny rano any amin’ny toby Andekaleka, satria tsy ampy sahady ny rotsakorana amin’izao volana avrily izao. Mandeha ny fanarenana ny RN7, mampitohy an’Antananarivo sy Antsirabe. Fikojakojana mahazatra, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirimbolan’ny […]
Vokatry ny fanadihadian’ny USAP-CMA 2025: Niakatra ho 67,07% ny naoty azon’i Madagasikara
Tsara ny vokatra! Niakatra 25 ny isa azon’i Madagasikara taorian’ny fanadihadiana momba ny «Universal Security Audit Programme – Continuous Monitoring Approach» (USAP-CMA) nataon’ny Organisation internationale de l’Aviation Civile (OACI), ny 13 ka hatramin’ny 22 janoary 2025. Nohadihadiana avokoa ireo mpisehatra ana habakabaka eo anivon’ny Aviation civile de Madagascar (ACM) ka […]
Finiavana sy fitiavana
16 andro alohan’ny fihaonambe an-tampon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina dia mizotra araka ny tokony ho izy ny fikarakarana. Tsy misy ny sakantsakana sy ny olana goavana tsy maintsy sedraina. Efa mipetrapetraka ny zava-drehetra. Samy mitondra ny anjara birikiny ny tomponandraikitra isan’ambaratongany. Hita taratra ny fiarahana mirona sy firaisankinan’ny governemanta. Zava-dehibe […]
Base Toliara: Drafitrasa iarahana amin’ny mpisehatra
Manomboka ny asa mahakasika ny lafiny sosialy ataon’ny Base Toliara. Anisan’izany ny fananganana ny vaomiera RWG, misahana ny famindrana ny fasana sy ny fanonerana ara-bola ny tompon-tany. Natao ny 2 avrily teo, tany Toliara, ny atrikasa nananganana ny Vaomieram-paritra mandrindra ny paikady stratejika (CRCS). Mitarika azy ny governora Atsimo Andrefana, […]




