Mois : avril 2025

Tetikasa Produir : Hojerena ny momba ny fako

Fanamby lehibe miandry ny tanànan’Antananarivo sy ny manodidina ny fikirakirana ny fako. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa Produir, nankinin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) amin’ny vondrona Artelia/Phoenix /Artelia Madagascar izany. Eo ny fanaovana fikarohana sy fanomezana tantsoroka amin’ny tetikady momba ny fikirakirana ny fakon’Antananarivo sy ny […]

Tetikasa “Oriente Jeunes” : Tranonkala hitarika ny tanora hisafidy ny fiofanana sahaza azy

Manohy ny ezaka amin’ny fanentanana ireo tanora hiofana ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fiofanana arakasa. Napetraka ny tetikasa “Oriente Jeunes” izay tohanan’ny Unesco amin’ny alalan’ny fandaharanasa “Better Education for Africa’s Rise (BEAR 2)”. Ho fampahafantarana ny rehetra momba ny fa­no­fanana sy ny fidirana amin’ny sehatry ny fampianarana teknika sy […]

MMM: Manakiana ny tsy fisian’ny demokrasia

Nitondra ny heviny manoloana ireo hetsika niseho tato ho ato ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Anisan’izany ny tany Toliara, farany teo. “Niaraka tsy hita tamin’ilay kianjan’ny demokrasia ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fiarovana ny tanindrazana eto amintsika”, hoy izy. Noresahiny koa anefa ny momba ny fifanakalozana ara-barotra amin’ny […]

Minisitra Mara Volamiranty Donna: “Tsy azo ekena ny fanakorontanana…”

Nitondra fanazavana ny tranga niseho tany Toliara, ny faran’ny herinandro teo, ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volami­ranty Donna. Notsiahiviny fa misy olona any amin’ny faritra Atsimo mivoy fanakorontanana. Hen­titra sy nahitsy ity mpitondra tenin’ny governemanta ity tamin’izany. “Efa mijoro miatrika ny hoaviny ny vahoaka malagasy ka tsy […]

Olana ara-toekarena maneran-tany: Hanohana an’i Madagasikara hatrany ny ONU

Noraisin’ny filoha Rajoelina Andry, teny Iavoloha, omaly, ny mpandrindra maharitry ny Firenena mikambana, “Coordonnateur résident du système des Nations-Unies – SNU” eto Madagasikara, i Anthony Ngororano. Hohamafisina ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Nivoitra tamin’ny tafa nifanaovan’ny roa tonta nandritra ny ora iray sy fahefany ny fiaraha-miasan’ny ONU sy i Madagasikara. “Hotohizana […]