Hisy ny « Train pascal » hampitohy an’i Fianarantsoa sy Sahambavy, ny alatsinain’ny paka. Iray ihany ny fiaingana, amin’ny 9 ora maraina, ary hiverina amin’ny 4 ora hariva ny lamasinina. Hampitohy ny garan’ ny FCE sy Beravina amin’ny saran-dalana 2 000Ar mandroso sy miverina kosa ny « petit train », […]
Mois : avril 2025
Fivoriambe COI : Miara-miasa ny minisitera MAE sy ny Axian
Natao sonia omaly, teto Antananarivo, ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny (MAE) sy ny vondrona Axian, amin’ny alalan’ny orinasa Yas Madagasikara sy ny Jovena. Voafaritra ao anatin’ny fifanarahana ny fanohanana ara-pitaovana sy ara-teknika, mba hizotra araka ny tokony ho izy ny Fivoriambe an-tampon’ny ranomasimbe Indianina (COI) andiany fahadimy, eto Antananarivo. Ao anatin’izany […]
Faritra Anôsy : Misokatra ny masoivohon’ny EDBM
Tafapetraka amin’ny fomba ofisialy ny masoivohon’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) ho an’ny faritra Anôsy sy Androy. Hetsika hanakaikezana ireo orinasa sy ireo mpitondra tetikasam-pampiasam-bola. Tanjona ny hanomezana tantsoroka ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola hampandrosoana ny toekarena sy ny fandraharahana. « Manana loharanon-karena voajanahary sy harena araka olona ary […]
Taolagnaro: Nandrotsaka 13 699 982 dolara ho an’ny fanjakana ny QMM
Manana petra-bola ao anatin’ny orinasa QMM ny fanjakana malagasy. Misy ny fizarana ny tombom-barotra aorian’ ny tombana ara-bola isaky ny taom-piasana Natolotry ny filankevi-pitantanan’ny QMM, ny 3 avrily teo, ho an’ny fanjakana malagasy, amin’ny alalan’ny orinasam-panjakana Tahirimbola fonds souverain SA (FSM), ny taratasim-bola mitotaly 13 699 982 dolara, Zara tombony […]
SOMBIM-BAOVAO
Vita tanteraka omaly ny dian’ilay iraka manokan’ny Caf, izay tonga teto an-tanindrazana nijery sy nitily ny Kianja Barea Mahamasina. Ny volana mey ho avy io moa, hiverina eto Madagasikara indray ity teknisianina momba ny bozaka ity, ary aorian’izay, hofantatra raha afaka mandray lalao iraisam-pirenena ny Barea ny volana septambra ho […]




