Nandositra ny kamiao nahafaty olona tao Antetokely, Marovohitra, kaominina Sambaina, distrikan’i Manjakandriana, ny alahady 27 avrily teo. Voafaokan’io fiarabe ny raim-pianakaviana 41 taona, ny harivan’io andro io, tamin’ny 6 ora sy sasany. Nipitika tamin’ny arabe, vaky ra ilay lasibatra. Nitsirara tamin’ny tany izy ka nitarika tamin’ny famohizany aina. Tsy afa-nialana […]
Mois : avril 2025
Famonoana an’i Tricha: adiny dimy taty aoriana, hita tao an-trano ny razana
Mampihoron-koditra ny zava-nanjo an’i Tricha, ilay zanaka vavin’ny mpihira Fandrama. Efa ora dimy taorian’ny namonoana azy vao hitan’ny fianakaviana tao an-trano ihany ny razana. Naolana, nofatorana tongotra aman-tanana, nokendaina sy nodarodarohana, santionany tamin’ny zava-doza niaretan-dRavao Marie Tricha, zanaky ny mpanakanto Fandrama, mialoha ny nahatapitra ny ainy. Ireo no tombana voalohany […]
Fandehanana any Allemagne: « Mila finiavana sy faharetana», hoy i Noeline Erica
Maro dia maro tokoa ireo Malagasy tanora lasa manohy ny fianarany sy ny fiainany any ivelany. Anisan’ireo firenena matetika handehanan’ireo tanora ankehitriny, ny any Allemagne. Milaza ny fiainany any an-toerana any, i Noeline Erica. Gazety Taratra (*): Afaka milaza ny momba anao ve, inona no naharisika anao ho any Allemagne? […]
Kaominina Brieville : Mpaka an-keriny maty voatifitra
Lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Malamamaina, kaominina Brieville ny dahalo mpaka an-keriny, ny zoma 25 avrily teo, tamin’ny 4 ora. Mpaka takalonaina tao amin’ny distrikan’i Tsaratanàna, voasambotry ny mpitandro filaminana ny 23 avrily lasa teo, tao amin’ny fokontany Antsampandrano io olon-dratsy io. Noterena hilaza ny toerana hisitrihan’ireo mpiara-manao […]
VAOVAO TAMBATRA
Mipetraka ny tetikasa fanodinam-bokatra any amin’ny faritra Androy. Voakasik’izany ny vokatra mangahazo, ny apemba, ny varim-bazaha, ny vomanga, ny soja ary ny katsaka. Misahana azy ny tetikasa Purpa, fiaraha-miasa amin’ny Tahirimbola ho an’ny fambolena, famatsiam-bola avy amin’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Tanjona ny hampihenana ny fanafarana avy any […]




