Misy ny fiaraha-miasa ao anatin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI), andraisan’ny orinasa frantsay Fonto de Vivo anjara. Nidina any Fieferamanga, distrika Arivonimamo, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (SESA), Razanamahefa Tahian’Ny Avo ny 21 avrily teo. Nojereny ny fivoaran’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena « Ankohonana Miarina ». Nampahafantarina ny fiaraha-miasan’ny governemanta malagasy sy ny orinasa […]
Mois : avril 2025
Jirama sy Filatex: Hamokatra angovo 68,5 MW fanampiny
Miara-miasa ny Jirama sy ny vondrona Filatex Energies, hanitarana ny angovo herinaratra eto amintsika. Voakasik’izany ny hananganana fotodrafitrasa famokarana angovo azo havaozina sady azo avy amin’ny herin’ny masoandro, mitotaly 68,5 MW, ka hapetraka amin’ity taona 2025 ity ny 25 MW ary amin’ny taona 2026 ny 43,5 MW. Hampifandraisina amin’ny tambajotran’ny […]
Tohana ho an’ny tantsaha : Nanome masomboly voamaina 231 gony sy vary 719 gony ny Base
Mitsinjo ny fampivoarana ny fambolen’ny tantsaha ny orinasa Base Toliara. Anisan’izany ny fanomezana masomboly voamaina sy vary fotsy. Miisa 18 ny fokontany ao anatin’ny kaominina Tsianisiha sy Ankilimalinike, nisitraka fanampiana avy amin’ny orinasa Base Toliara, ny 18 sy 19 avrily teo. Nahitana masomboly kabaro miisa 133 gony sy vary fotsy […]
INDRAY MIJERY
Nampivarahontsana ny mpianatra sy ny ray aman-dreny ny fahavoazana nihatra tamin’ireo mpianatra nanao dia fibeazana tany Mahajanga. Maro ny fanehoan-kevitra nivoaka ary samy naka lesona ny rehetra. Ao ireo nandray fanapahan-kevitra tsy handefa ny zanany intsony satria tena raiki-tahotra. Natao ny zoma sy sabotsy teo, manerana ny Nosy ny fifaninanana […]
Hopitaly: Manao ezaka amin’ny fandraisana tsara
Noresahin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny kalitaon’ny fandraisana marary eny amin’ny tobim-pahasalamana fototra sy ny hopitalim-panjakana. Raha ny fanehoan-kevitry ny olona dia betsaka ireo tsy afa-po amin’ny tolotra sy fandraisana eny amin’ny tobim-pahasalamana. Maty ho azy ny marary raha tsy misy vola… Ny Dr Ramarolahy Andriantiaray Rija, tale jeneraly misahana ny tolotra […]




