Mois : avril 2025

« Tafan-gilita » : Hialohavana fifaninanana tendry gitara ny hetsika

Hetsika goavana ho an’ny « gilita ». Hatambatra anatin’ny « Festival Tafan-gilita », izay mety ho hetahetan’ireo mpankafy ny tendry gitara rehetra. Hanombohana izany ny fifaninanana ho an’ireo rehetra liana. «Gilita». Anarana ni­­voaka tany amin’ ny taona 70-80 tany, nilazana ny gitara. Tsy ny gitara rehetra anefa io, fa ilay nofaritana hoe «accoustique», misy […]

TSELATRA

Fiara tsy mataho-dalana tra-doza ka nivadika tetsy amin’ny RN1, teo Malaza Ampitatafika, omaly tolakandro. Tsy nisy nahiana ny ain’ireo mpandeha enina mianaka tao anatin’ny fiara. Roa lahy nandroba tao anaty taxi-be voasambotry ny polisy tetsy Antohomadinika, ny sabotsy 26 avrily teo. Nalain’ireo tontakely ireo ny volafotsy an’ny vehivavy iray mpandeha. […]

Tsy nahazaka resy tamin’ny domy: Lehilahy nanindrona antsy voasambotra

Niara-nilalao daomy tany Tsararivotra, distrikan’i Mam­pikony, ny lehilahy miisa telo ny 26 avrily 2025 lasa teo. Nisy ny tsy fifankahazoana teo amin’izy ireo nandritra ny lalao ka namoaka antsy ny lehilahy iray tamin’izy ireo. Notsindrominy tamin’izany avy hatrany ireo mpiara-milalao roa hafa. Vokany, naratra teo amin’ny tanany ireo lasibatra. “Tsy […]

Tafaporitsaka ny tompony : Rongony 60 kg saron’ny zandary

Tratra ny rongony nafatratra tao anatin’ny gony miisa sivy tao amin’ny fokontany Ambohitsara, kaominina Ma­tsondakana, distrikan’i Befandriana Avaratra, ny sabotsy 26 avrily teo. Nentina andian’olona io entana io, ny hariva tamin’ny 7 ora. Nosavain’ny zandary avy hatrany ireo mpitatitra entana nampiahiahy ireo. Natsipin’izy ireo anefa ny gony ary nirifatra nandositra […]

Namaky biraon’ny kaominina: Roa lahy nandroba 1 tapitrisa Ar naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana, ny sabotsy 26 avrily teo, notanana vonjimaika any am-ponja ireo roa lahy namaky ny biraon’ny kaominina Ambatolaona. Novakian’izy ireo ny fitehirizam-bola ka lasa ny 1 tapitrisa Ar. Roa lahy nohazonina vonjimaika any am-ponja, ny sabotsy 26 avrily teo, miandry ny fotoam-pitsarana azy. Nandray anjara mivantana tamin’ny famakiana ny […]