Mois : avril 2025

Jiu-jitsu- Open Africa: Nandrombaka medaly volamena 20 i Madagasikara

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany amin’ny nosy Maorisy, ny fifaninanana “Open Africa”, taranja Jiu-jitsu Breziliana. Nandrombaka medaly volamena 20 be izao i Madagasikara. Namiratra tanteraka ny Malagasy mpikatroka, nisolo tena an’i Mada­gasikara, niatrika ny fifaninanana “Open Africa”, notanterahina tany Maorisy, ny faran’ny herinandro teo. Medaly volamena 20, volafotsy 6 […]

Randriamalala Jean Yves: Maniry ny ho lasa mpilalao milaravinahitra any ivelany

Nifarana tanteraka ny 13 avrily teo ny dian’ny Makis Sevens, tany Pologne, nahazo ny laharana fahadimy ny Malagasy. Anisan’ireo mpilalao mendrika nandritra iny fifanintsanana iny i Jean Yves, Malagasy mpilalao. Anisan’ireo mpilalaon’ny Makis Sevens nisongadina hatrany tamin’ny fifaninanana rugby lalaovin’olona fito, “Challenger Series”, izay natao tany Krakow, Pologne, Randriamalala Jean […]

TARATRY ny KANTO

Nizara ny « Le pauvre Matelot » ny Hetsika Lyrika. Indroa naseho ity « opéra » ity, ka ny voalohany ny alakamisy, teny amin’ny Cité des cultures Antaninarenina. Ny faharoa kosa ny sabotsy teo, tetsy amin’ny IFM Analakely. Mpanakanto avy amina firenena maro no natambatr’i François Bagur sy Xavier Ribes, namoaka ity seho kanto […]

AFT Andavamamba : Nitarina ny toerana

Volana vitsivitsy izay no nahitana fanitarana ny fotodrafitrasa etsy amin’ny AFT Andavamamba. Tontosa soamantsara izany ary notokanana ny faran’ny herinandro lasa teo. Fotodrafitrasa vaovao ahitana efitrano fianarana enina, toeram-piofanana informatika ary toerana malalaka iray ho an’ny fikotrehina zavakanto izany. Nomena ny anarana Monique Raharinosy ity trano vaovao ity, ho fanomezam-boninahitra […]