Masaka ny nahandro. Miditra sy efa milona tanteraka eo amin’ny tontolon’ny vazo miteny, i Zanasalanitra amin’izao fotoana izao. “Aingam-panahy zanantany ilay vazo miteny ataonay ary efa nivoy izany an-taona maro. Tapa-kevitra kosa taty amin’ny taona 2019 hamoaka ny sanganasa amin’izay”, hoy izy. Nambarany fa tonga ny fotoana sy ny sehatra […]
Mois : avril 2025
AF Mobile: Hiampy dimy ireo « Sekolin’ny kanto »
Manatona ireo ankizy sahirana, hizara ny fahalalana sy ny kolontsaina. Izay no tanjon’ny AF Mobile, izay hiverina indray. Hiara-dalana amin’izany ny fananganana “Sekolin’ny kanto” hanampy ireo efa misy. Anisan’ny tetikasa ara-kolontsaina sy fanabeazana, mijery ny maha olona ny AF Mobile. Tsotra ny tanjona: mizara ny kolontsaina sy ny teny frantsay […]
FANTINA sy FINTINA
Nandinika ny fiaraha-miasa manoloana ny tambajotran’ny mpanao kolikoly sy ny momba ireo tsimatimanota ireo rafitra miady amin’ny kolikoly, omaly, teny Andohatapenaka. Anisan’izany CSI, ny Bianco, ny Arai. Nohamafisina koa ny fandraisan’ny tsirairay andraikitra ho amin’ny fanatanterahana ny paikady nasionaly, iadiana amin’ny kolikoly. Voafetra fa tsy manana fahafahana momba ny fifanolanana […]
Andrianainarivelo Hajo: “Mitaky fahasahiana ny fifandraisana iraisam-pirenena”
Naneho ny heviny, manoloana ny toe-draharaham-pirenena tato ho ato ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Notsiahiviny tamin’izany fa tena nasehon’ny filoha Kaomorianina, Azali Assoumani, ny fahambonian’ny fiandrianam-pirenen’izy ireo. Mazava koa ny fanapahan-kevitry ny Firenena mikambana (ONU) fa miverina amin’ny Malagasy ireo Nosy manodidina “Iles Eparses”, araka ny fanamafisany. “Resaka hafa […]
Tsy mahakivy
Taorian’ny fivoriana an-tampon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) dia manao ranolava ny fiaraha-miasa amin’ny firenena vahiny. Tsy amin’ny raharahan’ny samy fanjakana, indrindra ny amin’ny tsy miankina. Mahavelom-bolo ny fifanomezan-tanana amin’ny fikambanana, na vondron’olon-tsotra. Misy ny fiarahana mirona amin’ny lafiny sosialy sy ny toe-karena. Anisan’ny teboka tsy azo tsinontsinoavina amin’ny fametrahana […]




