Mois : avril 2025

Fihaonan’ny filoha Rajoelina sy i Macron: Hiaraha-midinika any Paris ny momba ireo Nosy malagasy

Niompana amin’ny sehatra marolafy ny fihaonan’ny filoha Rajoelina Andry sy ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, teny Iavoloha, omaly. Anisan’izany ny momba ireo Nosy malagasy. Nivoitra tamin’izany fa hitohy any Paris, Frantsa ny fivorian’ny vaomiera iraisan’i Frantsa sy i Madagasikara momba ireo Nosy malagasy. “Nanomboka ny taona 2019 no niresahana azy […]

Fikambanana isam-paritra : Toka-miavaka aty Afrika fa hany ahitana nosy irery ihany ny COI

Ao anatin’ny fihaonana an-tampony faha-V ataon’irao filoham-panjakana eo anivon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina (COI) izao. Manana izay mampiava azy aty Afrika ny COI. Na eo amin’ny fijoroany, na ny asany… Izay tsara ho fantatra. Fikambanana iraisam-pirenena noforonin’ireo minisitry ny Raharaham-bahin’i Maurice sy i Sey­chelles ary i Madagasikara, tany Port-Louis, Maurice, tamin’ny […]

TARATRY ny KANTO

Fotoana fanararaotana izao ! Mandray vahiny maro i Madagasikara. Tsy resaka « avo lenta » ho an’ny politika sy ny toekarena ihany no mila aseho azy ireny fa ny kolontsaina sy ny zavakanto ihany koa. Efa tsy dia tsara laza loatra rahateo ny politika sy ny toekarena raha ho an’i Madagasikara manokana. Mila […]

International Jazz Day: Tafaraka ny samy andrarezina

Tahaka ny isan-taona. Ha­namarika ny «International Jazz Day» i Madagasikara. Hetsika karakarain’ny Mada­jazzcar miaraka amin’ny Fara West ary ny Vaomieram-pirenena malagasy ho an’ny Unesco. Amin’ity taona ity, ho tafaraka ny samy andrarezin’ny mozika jazz. Fampi­se­hoana hotanterahina ny alarobia 30 avrily izao, manomboka amin’ny 6 ora sy sasany ao amin’ny Fara […]

« Fifam »: Nankasitrahana ireo mendrika

Ny 11 avrily ka hatramin’ny 19 avrily teo. Notontosaina teto Antananarivo ny « Festival international du film d’animation de Madagascar (Fifam). Nandritra ny fotoam-pamaranana no nanolorana ireo mpifaninana mendrika ny fankasitrahana ny sanganasan’izy ireo. I Dolph Hasner no nahazo ny « Ondine d’Or », tamin’ny alalan’ilay sarimihetsika nampitondrainy ny lohateny hoe « Alika ». I […]