Mois : avril 2025

VAOVAO TAMBATRA

Manomboka ny fanarenana ny lalam-pirenena faha-6, eo anelanelan’Ambondromamy hatrany Ambanja. Anisan’ny asa atao ny any amin’ireo toerana tena ratsy lalana, toy ny any Tsarahasina, Anjiaman­girana ary Marovantaza. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa PCMCI-CERC, vatsian’ny Banky iraisampirenena vola ny fanatanterahana azy. Tanjona ny hanatsarana ny fifamoivoizana sy fitandroana ny filaminan’ny mpampiasa lalana. […]

Fanodinana fako: Hampiasa angovo madio ny 50% ny Malagasy

Hitondra vokatsoa amin’ny fitandroana ny tontolo iainana ny fahaiza-mitantana ny fako. Anisan’ny tombontsoa lehibe amin’ny fanodinana azy ho lasa vokatra azo ampiasaina ny famadihana ny fako ho lasa angovo. Nomarihin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Olivier Jean Baptiste, nandritra ny fanokafana ny Tsenaben’ny fako tetsy amin’ ny Carlton, […]

Foibe Carso : Tohanana ny tanora amin’ny fandraharahana

Manomboka misy vokany ny fanohanana ny tanora amin’ny fandraharahana any Toliara. Homanina dieny aty am-boalohany koa izy ireo, ankehitriny, amin’ny fahatongavan’ny orinasa Base Toliara. Miara-miombon’antoka amin’ny Antenimieran’ ny varotra sy ny indostria Toliara (CCIT) sy ny tetikasa Tendro iraisan’ny rehetra hisian’ny fampandrosoana (Pic), tohanan’ny Banky iraisam-pirenena, ny Foibem-pandraharahana faritra Atsi­mo […]

SOMBIM-BAOVAO

Tafita eo amin’ny dingana ampahefa-dalana, ilay Malagasy mpilalao tenisy, Sarah Rakotomanga. Fifaninanana hiadiana ny « tournoi WTA 250 » atao ao Rouen. Omaly, nifanandrina tamin’ilay Neerlandaise, i Suzan Lamens, laharana faha-69 amin’ny laharan’ny WTA ny tovovavy. Tsy ao anaty ekipam-pirenena frantsay amin’ny tsipy kanetibe intsony, i Philippe Suchaud. Nosoloina an’i Ligan […]