Mois : avril 2025

SPSM Nasionaly: Tamim-pirahalahiana ny fihaonana

Tratra ny tanjona ho an’ny SPSM nasionaly izay naneho firaisankina sy fiombonam-po teny Ambatofotsy, omaly. Tao anatin’ny firahalahiana no nanaovana ny hetsika izay nanasongadina ny maha iray ny mpiasan’ny fahasalamana. Fanoitra lehibe mampihodina ny tobim-pahasalamana manomboka eny amin’ny CSB2 hatreny amin’ny hopitaly lehibe ireo mpiasan’ny fahasalamana. Manomboka amin’ireo mpikarakara ny […]

Famahana ny olan’ny rano: Amboarina ny toby fitahirizan-drano rehetra etsy Mandroseza

Anisan’ny misedra olana amin’ny famokarana rano ny eto Antananarivo. “Asiana fanamboarana ny toby fitahirizana rano rehetra eto Mandroseza, izay tsy mbola nisy fanavaozana mihitsy”, hoy ny filohan’ny repoblika Rajoelina Andry. Tanjona ny hamahana ny olan’ny rano. Nidina ifotony nijery ny zava-misy teny anivon’ny tobim-pamokaran-drano etsy Mandroseza ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina […]

Firaisamonim-pirenena : Hanao fanadihadiana ny loharanom-bola hafa azo ividianana vaksiny

“Niainga avy amin’ny soso-kevitry ny firaisamonim-pirenena malagasy ny lalan-tsaina hitadiavana vahaolana hahatongavana amin’ny fahaleovantena momba ny fividianana vaksiny. Efa nisy ny fikaonandoha niarahana tamin’ny vaomiera misahana ny Fahasalamana sy ny mahakasika ny Toe-bola eny anivon’ny Antenimierampirenena, ny taona 2024. Nitohy tamin’ny fihaonan’ny firenena sivy tany Turquie izany”, hoy ny sekretera […]

Hanao haitaky ny solombavambahoaka : “Ilaina ny fahaleovantena amin’ny fividianana vaksiny”

Nanatrika fivoriana iraisam-pirenena tany Istanbul Turquie, nandritra ny roa andro, tamin’ity herinandro ity, ny solombavambahoaka roa. Anisan’izany ny filohan’ny vaomiera misahana ny fahasalamam-bahoaka sy ny fandrindram-piterahana, ny Dokotera Rajaobe­lina Lova, sy ny filoha lefitry ny vaomiera momba ny fitantanam-bola, Rakotoarisoa Jhonny. Niaraka tamin’izy ireo nisolo tena ny firenena malagasy koa […]