Mois : avril 2025

TSELATRA

Telo lahy tsy ampy taona mpamaky trano voasambotry ny zandarimaria tao Soavina Atsimondrano, Ankorondrano ary 67 Ha, afakomaly alina. Tratra teo am-pamakiana tranon’olona avokoa izy telo ireo. Lehilahy iray hafa tra-tehaka tao Tanjombato nitondra sakaosy nisy fitaovana fampiasany mamaky trano. Nosamborin’ny zandary ireo mpianaka nampihatra herisetra tamin’ny raim-pianakaviany tao Toamasina, […]

Sprinter nodomin’ny kamiao: Olona iray maty teny amin’ny RN2

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, Tanandava Toamasina, omaly tamin’ny 3 ora. Fiara sprinter iray, mpitatitra olona avy any Brickaville hihazo an’i Toamasina, no nodomina ka­miao lehibe iray. Vokany, vehivavy iray, mpandeha tao anatiny, no maty tsy tra-drano. Tsy mbola fantatra mazava kosa ny isan’ireo naratra. Anisan’ny naratra mafy, […]

Famonoana raim-pianakaviana: Voasambotry ny polisy ny vadiny sy ny zanany lahy

Voasambotry ny polisy omaly ilay ramatoa, 50 taona, sy ny zanany lahy, 30 taona, nanao herisetra, namono raimpianakaviana tany Toamasina I. Taorian’ny fiparitahan’ny horonantsary tamin’ny tambajotran-tserasera, izay nahitana ilay raim-pianakaviana 71 taona niharan’ny herisetra nataon’ny vady aman-janany. Nandray andraikitra avy hatrany ny polisy nanao ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo […]

Nitrandraka volamena: Dimy mianadahy maty tototry ny tany

Maty teo am-pitrandrahana volamena, tototry ny tany, ny dimy tamin’ireo fito mianadahy niharan-doza tao Mananjary, ny alakamisy 17 avrily teo. Mpihady volamena dimy mianadahy niara-namoy ny ainy nianjeran’ny ranontany tao amin’ny fokontany Ambalakazaha, kaominina Vohilava, distrikan’i Mananjary, afakomaly alina tamin’ny 11 ora. Efa nisehatra an-taonany maro ireo mpitrandraka volamana ireo. […]