Mois : avril 2025

Andrarezin’ny hira malagasy: Nodimandry i Rolland Raelison

Vitsy no manana ny talentany. Nodimandry i Rolland Raelison, mpamoron-kira, mpihira, mpitendry zavamaneno… Maro be ireo kanto napetrany! Misaona ny tontolon’ny zavakanto malagasy. Nodimandry teo amin’ ny faha-87 taonany, tatsy amin’ny Nosy La Réunion, omaly 18 avrily 2025 maraina, i Rolland Raelison. Andrarezin’ ny hira malagasy. Sady mpamoron-kira no mpihira, […]

FANTINA sy FINTINA

Noraisin’ny filoha tale jeneralin’ny orinasa Tozzi, Andrea Tozzi, ny filohan’ny Antenimie­ran­doholona, Ravalomanana Richard, tamin’ny fivahinianany any Italia. Misehatra amin’ny angovo azo havaozina hatramin’ny taona maro eto Madagasikara izy ireo. Nialoha izany, nihaona tamin’ny ben’ny Tanànan’i Ravenne koa ny tenany. Tombony lehibe ho an’i Madagasikara ny fandraisana ny COI, raha ny […]

Fandraisana ny fivorian’ny COI: Nahazo fitaovana fanadiovana ireo kaominina fito

Misokatra amin’ny fiaraha-miasa ny eny ifotony. Nitondra ny anjara birikiny amin’izao hiatrehana ny fihaonana an-tampon’ny COI izao ny avy amin’ny sehatra tsy miankina, Habibo Group. Niatrika izany ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsito­haina Naina, sy ny avy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Nisitraka fitaovana marobe ho amin’ny […]

Mpandresy

  Raha amin’ny finoana kristianina dia miditra anatin’ny vanim-potoan’ny fandresena miezinezina isika zanak’olombelona, manomboka anio. Hanamarika ny fitsanganan’ilay Kristy velona amin’ny alalan’ny fetin’ny Paka na Paska ny mpino maneran-tany. Raha ho an’ny eto Madagasikara aloha, tena fety miezinezina izany. Mitobaka ny zava-pisotro, tsy tambo isaina ny fety aman-danonana. Anisan’ny fotoana […]

Filoha Rajoelina Andry : “Tsy ekena ny fanakorontanana”

Hentitra ny filoha Rajoelina teny Mandroseza, omaly, manoloana ny fikotrehan’ny sasany fanakorontanana amin’ny handraisana ny fihaonana an-tampon’ny COI. «Ankehitriny, manoloana ny fanambarana ataon’olom-bitsy etsy sy eroa: mipoitra ny saron-tavan’izy ireo. Satria manitsakitsaka ny soatoavina sy ny fifanajana: aiza eto an-tany no misy hoe handray vahiny dia hampirisika ny olona any […]