Anjaran’ny faritra Vakinankaratra indray izao no misitraka ny fiofanana mahakasika ireo fehezan-dalàna mifehy ny asa voarakitry ny lalàna lah 2024-014. Paikady entin’ny minisiteran’ny Asa, ny fampanananasa ary ny asam-panjakana ny manatanteraka ny fampahafantarana izay voarakitra ao anatin’izany. Vaindohan-draharahan’ny fitondrana fiofanana ho an’ireo mpiantsehatra rehetra mampiasa ity lalàna vaovao ity. Solontenan’ny […]
Mois : mai 2025
Fanabeazana : Nanome 8,75 tapitrisa dolara ny japoney
Manome 1,45 tapitrisa dolara hanohanana ny sehatry ny fanabeazana ny firenena japoney. Mampiasa vola 8,75 tapitrisa dolara fanampiny avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka hanohanana ny fanabeazana eto Madagasikara izy ireo. Hanampy amin’ny fanatsarana ny fidirana amin’ny fampianarana manara-penitra sy mampiaty ireo famatsiam-bola ireo. Natao hanamafisana ny fanofanana mpampianatra, hanohanana ny fianaran’ny ankizy […]
Sehatra fifanakalozan-kevitra : “Mila mahafehy ny teknolojia sy ny teny anglisy ny tanora”
Omena sehatra hizara ny hetahetany ny tanora momba ireo lohahevitra mahakasika azy mivantana ka hipaka any amin’ny tomponandraikitra mahefa. Olana goavana eto amintsika ny tsy fisian’ny asa mifandraika amin’ny fianarana norantovin’ny tanora. Notontosaina teny amin’ ny Oniversiten’Antananarivo, omaly, ny famelabelarana arahina adihevitra “Ndao hiresaka fampandrosoana”, voalohany, niarahana tamin’ny mpianatry ny […]
TARATRY ny KANTO
Mitohy ny atrikasa ho an’ny teatra, isaky ny zoma manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, eny amin’ny Craam Ankatso. Natao ho an’ireo liana ka te hisehatra amin’ny teatra izany, hampitana ny fahatokisan-tena, ny fomba fisehatra rehetra, ny fihetsika eo no ho eo, ny fiainana ny tantara araka ny nanaovan’ny mpanoratra sy […]
STK 50 taona: Santarina amin’ny fampisehoan’Antsan’i Kristy
Mankalaza ny faha-50 taona nijoroany ny Sampana tanora kristianina (STK) eo anivon’ny fiangonana FJKM. Hosantarina amin’ny fampisehoana rindran-kira Antsan’i Kristy, atao etsy Antsahamanitra, ny 11 mey ho avy izao, izany. Manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ny seho. Hisokatra amin’ny 10 ora sy sasany ny vavahady. Hanafana sy hanentana eny an-toerana […]




