Mois : mai 2025

«Ligue des champions d’Europe»: Nosakanan’ny Inter de Milan ny lalan’ny FC Barcelone

Lavo ny FC Barcelone, andrarezina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa (Ligue des champions), taranja baolina kitra. Nosakanan’ny Inter de Milan teo amin’ny manasa-dalana ny lalan-dry zalahy. Resin’ny Italianina, ta­min’ny isa 4 no ho 3, nandritra ny lalao miverina notanterahina tao San Siro Milan, ny talata lasa teo. Niady hatramin’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Tsy anisan’ireo ekipa hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy vehivavy, U17, ny Yfomac. Araka ny fanazavana nataon’izy ireo afakomaly. Maro amin’ireo mpilalaony no tsy maintsy mifantoka tsara amin’ny fianarana, ka voatery nandray fanapahan-kevitra toy izao ny tomponandraikitry ny klioba. Notanterahina omaly, teny amin’ny Fede­rasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), […]

Rugby Africa Women’s Cup 2025: Mpifanandrina vaovao hihaona amin’ny Makis Ladies i Ouganda

Hampiantrano fifaninanana goavana indray i Madagasikara, ny volana jona ho avy io. Hatao eto Antananarivo ny fifanintsanana “Rugby Africa Women’s Cup 2025”. Afaka hanohana ny Makis Ladies eto an-tanindrazana indray ny Malagasy mpankafy Rugby. Raikitra indray! Hotante­rahina ny 5 hatramin’ny 16 jona ho avy izao, eny amin’ny Kianja Makis Andoha­ta­penaka, […]

CenHoSoa – HIS Foundation: Maimaimpoana ny fandidiana ireo ankizy manana fahasembanana

Nanomboka ny 5 mey hatramin’ny 17 mey 2025 ho avy izao, misy ny fandidiana maimaimpoana tontosain’ny HIS Foundation, fikambanana kristianina, sinoa, mpanao asa soa ao amin’ny CenHoSoa. Miompana amin’ny fandidiana ireo ankizy sahirana manana fa­ha­sembanana eo amin’ny molotra na ativava ny iraka ataon’izy ireo. Eo koa ireo manana fahavoazana sy […]