Hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra amin’ny fiantohana sy ara-bola, hitondra vahaolana ara-bola sy vokatra fiantohana mifanaraka amin’ny zava-misy eto an-toerana. Ireo ny tanjon’ny tetikasa fiarovana sy faharetana manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro (IRFF). Tetikasa iarahan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF) sy ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana (Pnud). « Hanamafy ny […]
Mois : mai 2025
Toliara : Vita ny 80% ny vahilava Kiembe
Tetikasa goavana atao any Toliara ny fananganana vahilava mirefy 5 km any Kiembe. Amin’ny ankapobeny, vita hatrany amin’ny 80% ny asa. Manaraka ny vinavina sy ny fandaharam-potoana napetraka ny fandrosoan’ny asa ataon’ny orinasa China State Construction Oversas Developpement (CSCOD). Famatsiam-bola avy amin’ny Banky eoropeanina ho an’ny fampiasam-bola (BEI). Mizara roa […]
Tetikasam-pampandrosoana : Miara-dalana amin’i Madagasi- kara ny Firenena mikambana
Mifanohana ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina amin’ny fanatanterahana ireo tetikasam-pampandrosoana goavana eto Madagasikara. Mifanampy ny roa tonta ho an’ny tombontsoam-pirenena sy ny fampandrosoana maharitra. Mivalampatra ao anatin’izany ny fampandrosoana ny toekarena ho an’ny fampivoarana ny fiarahamonina, toy ny tetikasa Volobe sy Sahofika. Nohazavain’ny minisitry ny Toekarena sy ny […]
Fifidianana Papa : Hiandry setroka fotsy ao Vatican izao tontolo izao
Hotanterahina anio, ao amin’ny lasapelina Sixtine, ny “Conclave”, fifidianana ny handimby ny papa François eo amin’ny fitantanana ny fiangonana katolika Romanina. Hitodika any Vatican ny mason’izao tontolo izao. Voafidy avy hatrany ny papa ny dikany rehefa miakatra ny setroka fotsy avy ao amin’ny Sixtine. Hisahana andraikitra lehibe hanonona ny anaran’ny […]
fivoriamben’ny SADC: Miofana ny mpitandro filaminana
Nosokafana teny amin’ny toby misahana ny fibaikoana ireo vondron-kery manokana (CFS) Ivato, ny 5 mey 2025, ny fiofanana momba ny fiarovana olona manan-kaja niarahan’ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena. Nanokatra izany ny tale misahana ny fiofanana mitohy sy fikarohana eo anivon’ny minisiteran’ny Filaminambahaka (DRFC), ny controleur général de police, Rasoamananjara Pierette […]




