Noho ny fisian’ilay rindrin-drahona izay mitoetra ao afovoany atsinanan’ny Nosy, vinavinaina ho betsaka kokoa ny rotsakorana any amin’iny morontsiraka iny. Tombanana hahatratra 40 hatramin’ny 80mm ny tahan’ny rotsakorana ao anatin’ny 24 ora. Ahina ny fahabetsahan’ ny rotsakorana any amin’ny faritra Ambatosoa, Analanjirofo ary Atsinanana, nanomboka omaly hatramin’ny anio, hoy ny […]
Mois : mai 2025
Pôle Stage Madagascar : Mpianatra maro misitraka fiofanana
Amin’ity volana mey ity, mpianatra miisa 150 avy amin’ ireo sekoly ambony maromaro, hofanina amin’ny alalan’ny Pôle Stage Madagascar. Hatao amin’izany ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpianatra mialoha ny hidirany eo amin’ny sehatry ny asa matihanina. Homena traikefa ny tanora amin’ny alalan’ny fanamorana ny fisitrahana mizatra asa. Efa nisy sahady ny […]
Faritra Sofia : Tsy mbola voatendry ny Dren
Efa tena atomotra ny fanadinam-panjakana mifanesy, amin’io volana jona io. Manao fanairana ny solombavambahoaka voafidy any an-toerana, Soafilira Princia, fa tsy mbola voatendry izay ho talen’ny fiadidiam-pampianarana any an-toerana hatramin’izao. Tomponandraikitra eny ifotony amin’ny fandrindrana ny fanadinana izy ireny. Mitaintaina ny ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny mpianatra amin’ny mety ho […]
Politeknika Antsirabe: Mampiranty voka-pikarohana miisa 22
Oniversite miankina amin’ny fanjakana niorina ny taona 2013, ao Antsirabe, ny oniversiten’i Vakinankaratra. Mampiranty ny voka-pikarohana eto Antananarivo ireo mpianatra. Zana-tsehatra iray ao anatin’ny Sekoly ambony politeknika (anatin’ny oniversite) ny Automatisme informatique izay mahasarika mpianatra maro satria miroborobo ny indostria ao an-toerana. “Mampiranty ny vokatry ny asam-pikarohana nataony ireo mpianatra […]
TARATRY ny KANTO
Nanolotra boky ho an’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ny AFT Andavamamba. Boky miisa 64, ahitana tantara foronina ho an’ny tanora ireo, ka anisan’ireny ny sanganasan’i Julien Rakotonaivo, “Echos et murmures du temps jadis”. Tafiditra anatin’ny fampitiavana ny vakiboky ho an’ny tanora, izay anisan’ny sehatrasan’ny AFT izao fanomezana boky izao. […]




