Anisan’ny nasongadin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, ny ezaka nataon’ny mpitandro filaminana. Notebahiny koa anefa ireo nitsikera na nanakantsakana ary nikasa hanakorontana. Narahabainy tamin’izany ny fitondram-panjakana tamin’ny nahatontosa ny fihaonana an-tampon’ny COI. Tanteraka izany na teo aza ny sakantsakana sy ny fiketrehana korontana, araka ny nambarany. “Tsy nahomby anefa […]
Mois : mai 2025
SOMBIM-BAOVAO
Nivoaka omaly, teny amin’ny ANS Ampefiloha, ny andiany Hiratra, nanaraka ny fiofanana ho an’ny mpitsara taranja basikety. Mpiofana 39 mianadahy no nahazo ny mari-pankasitrahana nandritra ity fiofanana nokarakarain’ny ligin’Analamanga taranja basikety ity. Hatao eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 17 mey izao, ny fifaninanana “Lemur Cup”, taranja Jiu-jitsu brezilianina. Ho […]
« Yas Coupe de Madagascar »: Niala an-daharana ny Fosa Juniors
Nahoraka tao anaty tambajotran-tserasera indray ny resaka baolina kitra, omaly. Araka ny vaovao niparitaka, niala an-daharana tsy hiatrika ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, “Yas Coupe de Madagascar 2025”, ny Fosa Juniors Boeny. Araka ny fanadihadiana natao, nilaza ny loharanom-baovao iray eo anivon’ity klioba atsy Boeny ity fa tsy afaka hanatrika […]
Jeux corporatifs : Homem-boninahitra ireo nahavitabe
Taorian’ny fiatoana nandritra ny 5 taona noho ny aretina Covid 19, hiverina indray ny «Jeux corporatifs». Fihaonana ho an’ireo mpiasa amina orinasa, karakarain-dRandrianjafitseheno Clément (Clément Rabary), mpanao gazety zokiolona. Andiany faha-28, hotanterahina ny 14 sy 15 jona ho avy izao, eny amin’ny Kianja Vontovorona. Hiavaka ity andiany ity, araka ny […]
JJB – Grand Slam : Hisolo tena an’i Madagasikara ry Andy, Bryan ary Chakif
Malagasy mpikatroka taranja Jiu-jitsu breziliana telo lahy no hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fifaninanana “Grand Slam”, hatao any Abu Dhabi, ny 16 sy 17 mey izao. I Andy Rasamy, i Brayan Rasamy ary i Chakif Mohammade no hisolo tena an’i Madagasikara, mandritra ny fifaninanana “Grand Slam”, hatao any Abu Dhabi, […]




