Mois : mai 2025

Fametrahana ny rohin’ny boky : Nizara ny olana sedrainy ireo mpisehatra

Miezaka mitady ny fanatsarana hatrany. Tsy kivy satria manomboka mahita taratra hazavana ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny boky. Hapetraka ho mafy kokoa ny rohin’ny boky, ary hitodram-bahaolana ireo olana rehetra sedraina. Tsy mbola voavaha ireo olana sedrain’ny tontolon’ny boky. Na izany aza, efa miroso tsara kosa ny paikady hamahana azy ireny, […]

FANTINA sy FINTINA

Miditra amin’ny dingana faharoa ny fandaharanasa Padeve, eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny fahafaha-miatrika ny loza voanajahary ka hanamboarana “Drain” ao Morafeno sy Ambohimahatsinjo. Nivoitra izany tamin’ny filankevitry ny minisitra tany Nosy Be. Miroso avokoa ny asa fanamboarana fotodrafitrasa eny […]

Fandraharahana “Business Forum”: Hihazo an’i Dubaï ny filoha Rajoelina Andry

Hosokafana amin’ny fom­ba ofisialy amin’ity volana mey ity ny masoivohon’i Madagasi­kara any Emirats Arabo. Hi­ara-dalana amin’izany koa ilay hetsika « Dubaï Business Forum » tanterahina any amin’ity firenena ity. Hanomboka ny 27 hatramin’ny 29 mey izao izany ka anisan’ny mpandray anjara amin’izany i Madagasi­kara, araka ny tapaka nandritra ny filankevitry […]

Maloto ny tanàna 

  Tsy laitra mihitsy isika eto Antananarivo ity. “Makôta” loatra, izay no azo hamehezana azy. Sady tsy tia madio ara-bakiteny, no voretra ara-tsaina ihany koa. Mahakivy ny mody alina, andaniny. Ataon’ny mponina fanariana tavimandry feno diky ny arabe. Tsy mampite hivoaka maraina, ankilany. Zary fanariam-pako sy fanaovan’ny olona maloto ny […]

Filankevitry ny minisitra : Maromaro ireo miaramila nesorina amin’ny toerany

Nirarakompana ny fanalana amin’ny toerany ireo tomponandraikitra ara-miaramila eo anivon’ny hopitaly Soavinandriana (CenHoSoa). Niainga amin’ny fanapahan-kevitry ny filankevitry ny minisitra, natao tany Nosy Be, afakomaly, izany. Nivoitra tamin’izany ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony ka anisan’izany ny teo anivon’ny minisiteran’ny Foloalindahy. Miisa valo be izao ireo tomponandraikitra ambony eo ani­von’ity hopitaly miaramila […]