Mois : mai 2025

« Yas Coupe de Madagascar » : Klioba 16 hiady ny tapakilan’ny ampahefa-dalana

Hifampitaona etsy By-Pass ireo mpitia baolina kitra, ny faran’ny herinandro ho avy izao. Ho fantatra amin’io fotoana io ireo ekipa valo hanao ny ampahefa-dalan’ny “Yas Coupe de Madagascar”. Hotontosaina anio sy ra­hampitso, etsy amin’ny Kianja Elgeco Plus By-Pass, ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, « Yas Coupe de Mada­gascar ». Anisan’ny […]

INDRAY MIJERY

Hahazo vahana hatrany ny alondrano avy atsimo-andrefana any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana sy atsimo andrefana ary atsimon’ny Nosy. Hi­ho­dina avy atsimo atsinanana izany any amin’ny mo­rontsiraka atsimo atsinanana sy afovoany atsinanan’ny Nosy. Hiitatra miandalana any amin’ny morontsiraka avaratra atsinanana kosa manomboka rahampitso. Tombony ho an’i Madagasikara ny mampiantrano ny fihaonamben’ny […]

Fitantanana loza sy tandindon-doza: Naka traikefa teto ny Protéction civile any Tchad

Naka traikefa teto Mada­ga­sikara ny ekipan’ny protéction civile avy any Tchad, momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza nandritra ny herinandro, teny anivon’ ny BNGRC. Nifarana omaly ny fivahinianan’izy ireo ary nizara ny vokatry ny fi­fampizarana teny Andraina­rivo ny roa ton­ta. Herintaona no nananganana ny protéction civile ao Tchad, […]

Fanabeazana ara-pananahana: Mila miofana koa ny ray aman-dreny

Nisy ny fifanakalozana niarahana tamin’ny fiarahamonina, mpitarika fiangonana, mpisehatra, tanora eny anivon’ny fikambanana momba ny fanabeazana ara-pananahana feno ahafahana mitady vahaolana iraisana nefa manaja ny finoan’ny tsirairay nokarakarain’ny Forum génération égalité (FGE), omaly, teny Besarety. Teo koa ny adisisika maro efa natao ary nisy ny vokatra azo satria efa nandrisika […]

Fanamby enina ho an’ny fanjarian-tsakafo: Namolavola drafitrasa iraisana ny solombavambahoaka sy ny Hina

Fampihenana ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo sy fanatsarana ny fandrindrana ny asa amin’ny fanodinana ny vokatra no anisan’ny fanamby noraisin’i Madagasikara tany Paris nandritra ny N4G. Manana andraikitra hanara-maso ny fanatanterahana izany ny firaisamonim-pirenena sy ny solombavambahoaka ka namaritra paikady iraisana. Manoloana ny fanamby enina noraisin’i Mada­gasikara ho fanatsarana ny fanjarian-tsakafo, […]